Fomba iray anisan’ny mahomby sy mampitombo ary manatsara ny tontolon’ny famokarana ny fanofanana tanora ho lasa matihanina amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Miisa 221 mianadahy ireo nahavita fiofanana tao amin’ny « Fiompiana sy fambolena malagasy Norveziana (FIFAMANOR) », tamin’ny alalan’ny tetikasa « Proagro Youth ». Nanaraka lalam-piofanana amin’ny famokarana sy […]
Mois : août 2023
Soavalim-bazaha !
Tena anatin’ny hazakazaka ho eny amin’ny Lapan’ Iavoloha tanteraka ny mpifaninana politika ankehitriny. Efa tafakatra valo ny nahavita fanambarana fa hilatsaka ho fidina. Mbola maromaro ireo tsy nilaza mazava ny hasian’ny tongony na hiroso na hihemotra. Misy ny any anatin’ny ady savaranonando sy ny paikady hoenti-mandrombaka ny amboara. Tsy […]
Fanamboaran-dalana : mitotaly 28 miliara Ar mahery ny vola efa voaloa
Voavaha ny olana ara-bolan’ireo orinasa mpanao lalana, nanatanteraka asa tamin’ny alalan’ny tsenambaro-panjakana . Maherin’ny 28 miliara Ar ny vola naloa ho an’ireo orinasa 292 nahafeno ny fepetra. Mitentina 28 107 610 624,80 Ar ny totalin’ny vola naloa tamin’ireo orinasa nanao lalana. Hatramin’ny talata teo, nefaina avokoa ny volan’ireo orinasa miisa 292 eny anivon’ny […]
TSELATRA
Taxi-be 119 iray indray no nifatratra tamina moto iray teny Ankatso, omaly maraina. Tsy fantatra izay nahazo ny mpamily fa nirimorimo tampoka ilay fiara ka nitrongy ilay moto teo alohany. Potika ilay moto voatrongy raha tsy naninona kosa ilay raim-pianakaviana nitondra azy. Azon’ny zandary tao Amboasarimasina, fokontany Ambolomborona, distrikan’Ambatondrazaka, afakomaly, […]
Bisikileta nofaohan’ny kamiao : renim-pianakaviana namoy ny ainy
Maty tsy tra-drano ny ramatoa iray nanao taingin-droa tamin’ny bisikileta tao amin’ny fokontany Madiotsifafana, kaominina Ambatondrazaka, omaly maraina. Kamiao lehibe iray no nifatratra tamin’ ny bisikileta nitondra azy. Tamin’ny 6 ora maraina, tsy nanampo na inona na inona ireo olona roa. Nanaraka azy ireo avy ao aoriana ilay kamiao. Tampoka, […]




