Mois : août 2023

Fanafarana menaka : mihenjan-droa ny tady eo amin’ ny fadin-tseranana sy ny DMC

Eny anivon’ny fitsarana ambony ny raharaha mikasika ilay fanafarana menaka hodiovina ho azo ohanina ataon’ny orinasa DMC sy ny fitoriana ataon’ny fadin-tseranana. Mbola henjan-droa ny tady eo amin’ny roa tonta. Nitondra fanazavana afakomaly, tetsy Ampa­sa­madinika, ny mpiso­lovavan’ny orinasa Bid-Co, Rama­roson Tantely, sy ny mpisolovavan’ny orinasa DMC, Andriamparanirina Fanaja, mikasika ny […]

“Certificat de nationalité” an’ny filoha Rajoelina: manaitra ireo mpitsara ny loholona Rakotondrainibe

Nohitsin’ny loholona, Rakotondrainibe Michel na i Ndriana fa nanitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena ny filoha Rajoelina. Nanairany ireo mpi­tsara izany amin’izao fotoana fohy hivoahan’ny fanapahan-kevitry ny fitsarana izao mo­mba ny fizakan’ny filoha ny zom-pirenena Frantsay. “Hotsarain’ny tantara ianareo hanao sonia ny «certificat de nationalité malagasy»-n’ny filohan’ny Repoblika”, hoy izy. Nanteriny fa tsy […]

Famoriam-bahoaka : nohelohin’ny HVM ny sakantsakan’ny mpitandro filaminana

“Tsy izahay irery no efa niharan’izany fa ireo kandidà sy mpanao politika. Niharan’ ny sakantsakana nataon’ny zandary izahay na efa nahazoana alalana aza ny famoriam-bahoaka anaty efitrano nataonay”, hoy ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, omaly. Notsiahiviny ny tranga niseho tany Van­gaindrano sy ny tany Ampa­nefena. Nante­riny fa voahitsakitsaka ny […]

Vahoaka tompon’ ny teny farany

Hatramin’izao, misy hatrany ny mpisehatra politika miady fifampidinihana, fiaraha-mitantana, fitondrana Tetezamita… Mandeha amin’izany ny famendrofendroana ny mety hisian’ ny korontana politika mialoha sy mandritra na aorian’ny fifidianana. Misy tonga amin’ny fihantsiana aza, na fandrahonana hidina an-dalambe rehefa tsy araka izay iheverany azy ny raharaha na izay atao. Tsy ilaozan’izay fitompoan-teny […]