Mois : août 2023

TSELATRA

Zaza telo indray maty tao anaty mololo, tany Ambaiboho, kaominina Morarano Chrome, ny alahady 13 aogositra teo. Zanaka mpanao biriky, voatery matory anaty mololo izy ireo amin’ny alina. Nisy afo tsy maty tsara anefa ka niitatra. Nitsoaka ny afo ny ray aman-dreny saingy tavela ireto zanany. May ny herinaratra, namoy […]

Nangalatra vatokely sy fasika: lehilahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Matin’ny fitsaram-bahoaka tao Ambalamanasy « carreau voalohany » Toamasina, ny alatsinainy teo ny raim-pianakaviana iray 45 taona. Raha ny angom-baovao, lehilahy iray mipetraka eo akaikin’ny toeram-pivarotana fasika sy vatokely fanamboaran-trano no naniraka azy hangalatra vatokely sy fasika an’olona iray manamboatra trano. Tsy lavitra teo amin’ny toeram-pivarotana no misy ity trano vao amboarina […]

Olona iray maty… : kamiaobe nifandona tamin’ny taksiborosy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra (RN4) mihazo an’i Mahajanga, omaly vao maraina. Kamiaobe iray no nifandona tamina taksiborosy Sprinter, teo amin’ny tetezan’Andranofeno Avaratra, distrikan’Ankazobe. Vokany, raim-pianakaviana iray nandeha tamin’ilay taksiborosy namoy ny ainy. Raha ny tatitra nampitain’ny zandarimaria, avy any Mahajanga hihazo an’Antananarivo ity kamiaobe ity. […]

Tsy faly ny fokonolona: nanafika biraon’ny zandary, sivily efatra maty voatifitra

Maty voatifitry ny zandary ny lehilahy roa voalaza fa dahalo. Tsy faly ny namany. Nanafika borigadin’ny zandary. Raikitra ny fifampitifirana. Efatra hafa namoy ny ainy. Olona efatra maty, nisy naratra noho ny fifampitifirana teo amin’ny zandary, niaro ny biraony sy ny fokonolona mpanafika, tao amin’ny kaominina Tsima­zava, distrikan’i Mahabo, faritra […]