Mois : août 2023

Antenimieran’ny varotra sy ny asa tanana ao Toamasina : “Haverina ny fahatokisan’ny mpandraharaha” hoy ny filoha vaovao, Kotonirina Robert

Tontosa ny talata lasa teo ny famindram-pitantanana teo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao mi­tanta­na ny sampandraharahan’ny Anteni­mieran’ny varotra sy ny in­dostria ary ny asa tanana, any amin’ny faritra Atsi­nanana. Natao teny anivon’ny efitrano malalaky ny « Chamb­re de commerce et de l’industrie » Toamasina (CCIT) ny lanonana. «Eo anivon’ny minisitera […]

FANTINA sy FINTINA

Iandrasana ny fialan’ny filoha Rajoelina ny kongresy, hoy ny sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka Hery. “Mangataka ny firotsahan-kofidin’ny filoha Rajoelina ny olona. Dinihina izay tena mahatsara azy. Mametra-pialana izy rehefa mirotsa-kofidina, any ve no tsaratsara kokoa? Mahafinaritra rehefa eo ilay olona amin’ny fanaovana kongresy”, hoy izy. Hanambara tsy ho ela ny […]

Minisitry ny Atitany: “Tsy sakana amin’ny fampandrosona ny lalàna”

“Ahoana no hahazoan’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana tena mandray an-tanana ny hoaviny amin’ny fampandrosoana ny kaominina na ny faritra?”, hoy ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, i Tokely Justin, ny amin’ny fanofanana ireo ben’ny Tanàna sy lehiben’ny boriborintany eo anivon’ny faritra Diana, tany Antsi­ranana, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny didy […]

Tsy namany aho !

  Vaovao nahoraka maneran-tany ny fisamborana ny talen’ny kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika malagasy, ny alakamisy 10 aogositra, tany Londres. Ahiahina ho nanao kolikoly izy sy ny namany. Miandry ny fotoam-pitsarana any am-ponja hatramin’ny 8 septambra. Afa-baraka tanteraka ilay firenena malagasy. Nihazakazaka namoaka ny vaovao ny ankamaroan’ny gazety vahiny, amin’ny fiteny […]

Fifidianana filoham-pirenena : Kandidà Ratsirahonana Lalaina Harilanto

Tafakatra valo ireo nanao fanambarana ho kandidà filoham-pirenena. Anisan’ny hifaninana ho eny Iavoloha, Ratsirahonana Lalaina Harilanto. Nanao fanambarana ny filatsahany ho fidiana Filoham-pirenena ny zanaka faralahin-dRatsiraho­nana Norbert Lala. “Efa nahazo ny tso-dranony aho”, hoy Ratsirahonana Lalaina Hari­lanto. Filohan’ny fikambanana “An’i Kristy” izy. Tomponan­draikitra ambony eo anivon’ny Auximad. Natolotry ny antoko […]