Mois : août 2023

TSELATRA

Zazavavy telo volana narian-dreniny an-kolaka teny Ambohimamory-Itaosy, omaly. Napetrany tamin’ ny zazavavy 12 taona io zanany io. Nilaza hiantsena vetivety izy kinanjo tsy niverina intsony. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny zandary ao an-toerana rehefa naharay fampandrenesana. Fiara nanitsaka olona iray nifandrimbonan’ny fokonolona nosakanana tetsy Anosizato, omaly. Nikasa handositra niaraka […]

Soavinandriana: naiditra am-ponja ireo olona 13 tratra nangalatra taolam-paty

Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa rehefa avy natolotra ny fampanoavana ireo olona 13, voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra taolam-paty tao Soavinan­driana. Voasambotry ny miaramila DSS 12 Tamponala, tao Trondromainty, fokontany Miaramasoandro, kaominina ambanivohitr’i Tamponala, distrikan’i Soavinandriana, afakomaly ireto jiolahy ireto. Nifanome tanana tamin’ireo miaramila mpampandry tany ny zandary avy ao amin’ny […]

Fahafatesan’i Olivier: tsy nety handray ny razana ny fianakaviany

Maty nisy namono tao Antetezambaro, ny alahady maraina teo, i Olivier Sonina. Namonjy alim-pandihizana tao amin’ ny fokontany Analamalotra, kaominina ambanivohitr’Ante­tezambaro, Toamasina II, izy. Somary nisy fifamaliana taman’olona izy tao amin’ity trano fandihizana ity. Nisy nahatsikaritra izy naratra mafy hita tao ambany tetezan’Ivoloina. Mbola nisy aina izy ka niezaka niantso […]

Fanafihana eny Itaosy : folo lahy, mampihorohoro !

Nasesin’ny jiolahy miisa folo ny tokantrano telo teny Itaosy, ny alahady alina. Voaroba ny vola an-tapitrisany. Nitondra basy ny olon-dratsy. Mandry andriran’antsy ireo manana tsena. Nampihorohoro ny tompon-tsena notafihany, norobain’ny jiolahy folo lahy ny vola 2 tapitrisa ma­hery tao amin’ny fokontany Maro­biby, kaominina Fiombonana – Itaosy, ny alin’ny alahady teo. […]