Nifanome fotoana, niaraka nianoka ny hiran’i Nanie, ireo mpankafy azy. Seho miavaka sy mendrika ny faha-30 taona nihirana no natolotr’i Nanie ny mpijery tonga teny amin’ny CCEsca, omaly. Tontosa omaly, teny amin’ny CCEsca Antanimena, ny fampisehoana niarahana tamin’i Nanie. Seho nankalazana ny faha-30 taona niakaran’ity mpanakanto ity an-tsehatra. Mpanakanto maro […]
Mois : août 2023
Asa tanana mbola vitsy mpanao: azo avadika ho haingon-trano miavaka ny taretra
Hanamboarana gony sy fitafy ny vokatra vita amin’ny taretra hatramin’izay. Efa maro ireo olona mamokatra izany amin’ny endriny maro toy ny haingon-trano maro samihafa. Madinika tokoa nefa tena ilaina eo amin’ny fiainana andavanandron’ny olona ny taretra. Azo hanamboarana gony, kitapo, lamba fitafy ary zavatra maro samihafa amin’ny endriny isan-karazany izany ankehitriny. Mampiasa taretra maro mandritra izany mba hahavitana […]
FANTINA sy FINTINA
Haneho ny heviny momba ny fifidianana Razafinjoelina Tahina. Hanambara ny vina ho an’i Madagasikara sy hiresaka momba ny fiainam-pirenena anio ilay mpandraharaha, Razafinjoelina Tahina. Mpampianatra sy mpitantana orinasan-tserasera izy. Arahina amin’ny fahitalavitra tsy miankina, maromaro izany fanehoan-keviny izany. Tombanana fa mety ho kandidà filohan’ny Repoblika ny tenany. Efa betsaka ireo […]
Lisi-pifidianana : miisa 150 000 ireo anarana nohamarinin’ny Ceni
Hanamarina ny ahiahin’ny Frankôfônia ny Ceni. Nitondra fanazavana ny teknisianina eo anivon’ny Ceni, Ranaivodimby Alberto Claudel, misahana ny haitao ara-kajy mirindra “Systèmes d’information et des nouvelles technologies”. Nambarany fa miroso amin’ny fanitsiana ny tsy fahatomombanana hitan’ny mpanao fitsirihana toy ny Frankôfônia (OIF) sy ireo Malagasy manampahaizana ny lisitry ny mpifidy […]
Tombontsoa… ratsy
Tsy misy mahita tombontsoa amin’ny korontana na fanakorontanana? Indrindra amin’ny politika… Resaka ka atao, tian-kateza. Misy ndeha hinia hanakorontana fotsiny izao ve raha tsy mahita sy mikendry tombontsoa amin’izany? Manakorontana mba hahazoana manararaotra ny toe-javatra hanilihana na hanapotehana ny hafa, ohatra, na hakana bahana na vahana raha ratsy toerana […]




