Fiaraha-miasa amin’ny fiangonana hatrany. Notokanan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, ny fahavitan’ny “Lapan’ny teny tonga nofo”, eo anivon’ny fiangonana katolika Ambatobe. “Hita taratra amin’ny zava-bita ny asa atao am-pitiavana”, hoy ny filoham-pirenena Rajoelina nandritra ny fiaraha-miombom-bavaka tamin’ny mpino tao amin’ny fiangonana Katolika SVD Ambatobe. Fotoana nitokanana ny “Salle d’oeuvres – […]
Mois : août 2023
Vola 200 000 Ar voaroba : mpanao gazety voavely kibay
Narahina roa lahy nitondra moto, notereny tamin’ny sisin-dalana ka voadaroka kibay sady voaroba ny mpanao gazety iray avy nanao ny asany tao Betsoahana, distrikan’i Mandoto, ny zoma 4 aogositra teo. Nifantoka tamin’ny fanaovana “investigation” na fanadihadiana tamin’ny raharaha ady tany ao amin’io toerana io izy. Nihazo ny lalana hody, roa […]
TSELATRA
Fatin-dehilahy iray tsy nisy loha intsony, hitan’ny fokonolona tao Amporaha Dzamandzar Nosy-Be, afakomaly. Mponina monina ao an-toerana ihany ity hita faty ity. Ahiana ho nalain’ireo tsy mataho-tody ny lohany izay tsy hita teo aminy intsony. Olona iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao Sakaraha, afakomaly. Nitondra mpivavaka ny karandalana […]
Fanaovana hosoka : voatazona am-ponja ilay zandary
Nolavin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ny zandary iray, ny zoma 28 jolay teo. Nidoboka am-ponja vonjimaika ny faha-21 jona, noho ny halatra sy fampiasana marika ana orinasa mpanao simenitra iray tsy nahazoana alalana no nahavoampanga azy. Vokany, niakatra teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny raharaha, […]
Fakana an-keriny : maty voatifitry ny zandary i Salama
Lavon’ny mpitandro filaminana ny jiolahy raindahiny amin’ny fakana an-keriny tao Anjozorobe, afakomaly. Lavon’ny zandary ny iray tamin’ireo jiolahy mpaka an-keriny tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohibary Vohilena, distrika Anjozorobe, ny sabotsy 5 aogositra teo. Nikasa haka an-keriny tao amin’io kaominina io ihany, naharay angom-baovao ny zandary avy eo anivon’ny kaompania Imerina […]




