Miditra amin’ny andro faha-7 anio, ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Mbola mitarika eo amin’ny laharana voalohany vonjimaika hatramin’izao i Madagasikara amin’ny fahazoana medaly. Tafakatra 83 ny medaly volamena azon’ny Malagasy, taorian’ny andro faha-6, omaly. 50 ny medaly volafotsy ary 61 kosa ny medaly alimo. Mbola eo amin’ny laharana voalohany hatrany […]
Mois : août 2023
TARATRY ny KANTO
Atrikefa bagasy volana septambra. Amin’ny sabotsy 2 septambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ao amin’ny efitrano malalaky ny IKM Antsahavola ny fotoana. Fifanakalozana traikefa sy karoka momba ny tantaran’ny bagasy sy ireo mpamoron-kira sangany. Eo koa ny sehatra malalaka ahazoan’ny mpivory mandray anjara amin’ny hira. « Festival Temps […]
Fitsaboana nentim-paharazana : mila ampiharina ny lalàna efa misy
Nanatanteraka fivoriambe fanao isan-taona tetsy Anosy, ireo fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara (ANTM), omaly. Nifampitaona ny solontenan’izy ireo araka ny talentany avy. Toy ny mpanotra, mpampiteraka, mpanao hasoavan-jaza, mpampiasa ravinkazo, mpanao ody may… Efa nisy mpitsabo nentim-paharazana 3- 5 isam-pokontany nanerana an’i Madagasikara, raha ny fitsirihana nataon’ny OMS tamin’ny taona […]
« Festival Karitaka 2023» : andiany faha-13 ny hetsika
Tontosaina any Ranohira, nanomboka ny 29 aogositra 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny 2 septambra 2023, ny “Festival Karitaka 2023”, andiany faha-13. Araka izany anarany izany, ny “Karitaky” no tena hisongadina amin’ity hetsika lehibe ity. Ahitana seho ara-kolontsaina sy zava-kanto maro mampiavaka iny faritra Atsimo iny koa ny hetsika. […]
Kianjan’ny hiragasy : mitondra ny anaran-dRasamimanana Rochel na Ra-Petit
Mialohan’ny nitondrana ny razana ho any an-tanindrazany. Natao veloma farany tetsy amin’ny Kianjan’ny hiragasy Ampefiloha ny nofo mangatsiakan-dRasamimanana Rochel na i « Petit ». Nisy ny fanapahan-kevitra noraisina. Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny Kianjan’ ny hiragasy Ampefiloha ny fanaovam-beloma farany ny nofo mangatsiakan-dRasamimanana Rochel na Ra-Petit, filohan’ny Federasion’ny mpihiragasy eto Madagasikara. Fotoana nanambaran-dRakotondrazafy Lalatiana, minisitry […]




