Nanambara ny fahavononany ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny depiote voafidy tany Ikongo, Razafintsiandraofa Jean Brunelle, omaly, teny amin’ny trano fonenany, eny Ivato. “Mavesatra loatra ny fahantrana ary tsy hita soritra ny ho avin’ny firenena sy ny vahoaka ka nanapa-kevitra izahay”, hoy izy. Hanolotra azy amin’ izany fiatrehana ny fifidianana […]
Mois : août 2023
Kinininabe Itaosy: tratra ireo jiolahy mpamaky trano
Ravan’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Itaosy ny tambajotran-jiolahy mpangalatra moto sady mpanao fanafihana Cash point. Dimy lahy ireto tambajotra mpanafika sy mpamaky trano ireto ka efa naiditra am-ponja vonjimaika avokoa rehefa avy natolotra ny fampanoavana, afakomaly. Nitrangana vaky trano teny Ambohidrapeto, ny volana febroary 2023 lasa teo. Tsy tao an-trano ny […]
Mamo ny mpamily…: taksiborosy nivadika, mpandeha 13 naratra
Taksiborosy iray an’ny kaoperativa iray mpanao fitaterana mihazo an’Antsirabe no tratran’ny lozam-piarakodia tao Tombontsoa, fokontany Tsaravavaka, kaominina Andranomanelatra Antsirabe II, PK 158+400, afakomaly. Olona 13 naratra mafy. Araka ny tatitra nampitain’ny zandary misahana ny fandrindrana ny fifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena, mamo ny mpamilin’ity taksiborosy ity. Taksiborosy avy aty Antananarivo tsy […]
By Pass: tovovavy nahatrarana rongony 55 gony
Natolotra ny fampanoavana omaly ity tovovavy tsy ampy taona voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanaovana trafikana zava-mahadomelina ity. Ny alarobia 23 aogositra tolakandro, teny By Pass Mandikanamana, izy no tratran’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina (Stup) niaraka tamin’ny rongony. Nahazo vaovao ny polisy Stup momba ny fisian’ity tovovavy mitazona rongony […]
Kianja Barea : olona 13 namoy ny ainy, 11 voatery nodidina maika
13 namoy ny ainy, 107 naratra ka 11 no tena voa mafy, izay no vokatry ny fifanosehana teny Mahamasina, omaly. Samy maika ny hijery ny fanokafana ny lalaon’ny Nosy ny Malagasy. Nifanitsa-kitro, niafara tamin’ny famoizan’aina ny fifanosehan’ny fokonolona nikasa hiditra tao amin’ny kianja Barea, omaly tolakandro tamin’ny 4 ora hariva. […]




