Mois : août 2023

TARATRY ny KANTO

Poopy 40 taona niseharana. Anjaran’ny mponin’i Mahajanga indray ny hianoka ny seho miaraka aminy, ny alahady 3 septambra izao, manomboka amin’ny 6 ora latsaka fahatelony hariva, ao amin’ny Les Roches Rouges. Fampisehoana tokana, amin’ity taona ity, hiarahan’ny tarika Poopy amin’ireo mpitia zavakanto ao Mahajanga sy ireo miala sasatra any an-toerana. […]

Mpilalao tantara amin’ny radio: hiaka-tsehatra eny Ambatomirahavavy ny Iray Fy’Art

Hitohy eny Ambatomira­ha­vavy indray ny seho hotanterahin’ny tarika Iray Fy’Art. Ha­tao ny sabotsy 9 septambra izao izany, eo amin’ny kianjan’ny CEG eny an-toerana, manomboka amin’ny 1 ora sy sasany. Holalaovin’ireto mpilalao tantara amin’ny radio ireto eny an-tsehatra amin’izany “Ny herin’ny vola”, nosoratan’i Niravo Randria. Ahitana taratra ny fiainana andavanandro ifanjevoan’ny […]

Rovan’i Madagasikara : azo vidina amin’ny « Ticket place » ny tapakila

Tonga nijery ny fizotran’ny fampiasana ny tapakila nomerika, amin’ny fidirana eny amin’ny Rovan’i Madagasikara, Rakotondrazafy Lalatiana, minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina. Nanomboka omaly ny fampiasana ity fomba fiasa vaovao ity. « Fanomezana endrika tsara sy fanamorana ary fampirindrana ny fitsidihina ity vakoka manana ny maha izy azy ity no tanjona […]

« Festival Temps Fort Danse » : fotoan-dehibe ho an’ny mpandihy ny hetsika

Hianoka hetsika goavana ny fianakaviamben’ny mpandihy, afaka andro vitsy. Fifampizarana fahaiza-manao sy traikefa, seho goavana sy fampianarana. Ireo no handrafitra ny 3 herinandron’ny hetsika. Tontosa omaly, teny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Ana­lakely, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny mahakasika ny « Festival Temps Fort Danse 2023”. Eny […]

Ambohidratrimo Marovatana : vohitra nanana ny naha izy azy, anatin’ny tantara.

Vohitra nipoiran-dRadama voalohany Ambohi­dra­trimo, ankoatry ny maha anisan’ ny ao anatin’ny vohitra roa am­bin’ny folo azy. Efa tao anatin’ny Imerina efa-toko ihany koa izy talohan’izany. Vohitra iray tao anatin’ny Imerina efa-toko, ny vohitr’Ambohidratrimo Marovatana. Ny Mpanjaka Ratrimo sy Ramorabe ary Rambolamasoandro no nifandimby nanjaka teny, tamin’ny taonjato faha-16 sy faha-17. […]