Hisy ny fihaonambe fampivondronana ny mpiasa, karakarain’ny Fiombonamben’ny sendikàn’ny mpiasa malagasy(FSMM), rahampitso, ao amin’ny «Cathédrale DEGS», oniversiten’Antananarivo. Ny mpiasa mivondrona ao amin’ireo sendikà manerana ny Nosy no mpamokatra sy mampihodina ny firenena ka tsy azo ekena intsony ny fanaovana ankilabao azy ireo. Ny varatraza malefaka no handrafitra ny toetry ny […]
Mois : août 2023
Cntemad-Fizaran’asa : hifarana ny 22 septambra ny fandraisana ny tatitra
Nanambara ny tomponandraikitry ny ivontoerana misahana ny fampianarana ampitain-davitra (Cntemad) eto Madagasikara fa hifarana ny 22 septambra ho avy izao ny fandraisana ny tatitra nataon’ny mpianatra L3 nandritra ny fizaran’asa teny anivon’ny orinasa nosafidiny. Fepetra takina hisitrahana ny mari-pahaizana “Licence” ny famolavolana tatitra. Ho an’ny lalam-piofanana Toekarena sy Lalàna, tsy […]
Fampianarana ambony : manampy ny fisafidianana lalam-piofanana ny fitsidihana hairanty
Efa nivoaka avokoa ny valim-panadinana bakalorea 2023 ho an’ny faritany enina ary samy mieritreritra ny zavatra tiany hirosoana eny amin’ny fampianarana ambony ireo tanora nahazo mari-pahaizana. Ho an’ny oniversite miankina amin’ny fanjakana, tsy mbola nifarana ny taom-pianarana 2022-2023 noho ny fitokonan’ny mpampianatra mpikaroka. Oniversite telo : eto Antananarivo, Fianarantsoa ary Antsiranana […]
Fifidianana filoham-pirenena: vehivavy kandidà fahatelo, Rasolofonoroniaina Julia Mickaëlle
Kandidà fahatelo nanambara fa anisan’ireo hirotsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena, Rafolofonoroniaina Julia Mickaëlle (Mishah) taorian’i Masy Goulamaly sy Annick Ratsiraka. « Fitiavan-tanindrazana no tena nanosika ahy hanapa-kevitra hijoro ho an’ny firenena fa tsy fitiavan-tseza. Tsy kilalao ny fiainam-bahoaka satria firenena no resaka eto », hoy izy. Nambarany fa raha hiaina amina kajikajy politika […]
Filatsahan-kofidina ho filoham-pirenena: ho hentitra amin’ny dosien’ireo kandidà ny HCC
Hiasa tsy an-kiato, ary hatramin’ny fiandrasan-draharaha rehefa faran’ny herinandro ny HCC etsy Ambohidahy, amin’izao fandraisana ny antontan-taratasin’ny kandidà ho filoham-pirenena izao. Efa nanomboka, omaly, ny fisokafan’izany ary hitohy hatramin’ny 6 septambra ho avy izao. Nambaran’ny filohan’ity Andrimpanjakana ity, Rakotoarisoa Florent fa ho hentitra izy ireo amin’ny fanamarinana sy fijerena ny […]




