Mois : août 2023

Matechmad sy SPSM : fikojakojana ny sambon’ny mpanjono madinika

Toerana be mpizahatany mitsidika ny Nosy Sainte-Marie sady manana ny lanjany amin’ny tontolo mananaina. Malaza ny fandalovan’ny trozona (baleine à bosse) an’ arivony isan-taona, ma­nom­boka ny volana jona hatra­min’ny septambra, avy any amin’ny ranomasimbe Antar­ktika. Mamonjy ny ranomasina mafana, ahafahan’izy ireo hifampitomboana taranaka. Misy ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny Suzuki Marine, […]

VAOVAO TAMBATRA

Tsikaritra fa niverina tsikelikely indray ny fahatapahan-jiro misesy na delestazy eto an-drenivohitra. Manodidina ny adiny roa ny faharetany tamin’ny herinandro ambony, ary lasa adiny telo, nanomboka ny sabotsy teo. Manomboka amin’ny 10 ora alina ny fahatapahana hatramin’ny 12 ora alina, ary niitatra hatramin’ny 1 ora maraina aza izany. Ratsy ny […]

Tsy fanjarian-tsakafo any atsimo: 2 tapitrisa dolara avy amin’ny Rio Tinto

Ankoatra ny maha orinasa mitondra fampandrosoana ara-toekarena ny QMM any Taolagnaro, manana paikady manokana izy amin’ny lafiny sosialy hitsinjovana ny mponina. Nanome vola mitentina 2 tapitrisa dolara ny orinasa iraisam-pirenena, miahy ny QMM Taolagnaro. Fanampiana entina hiatrehana amin’ny krizy ara-tsakafo, indrindra ny any amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara io vola io. […]

Fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra : hampiroboroboina ny famokaran’ny tantsaha

Hampiakatra ny tahan’ny famokarana sy hanatsara ny fambolena manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro ny fampiasana ny teknolojia. Mamolavola paikady hampiharana izany amin’ny taona 2024 ireo tomponandraikitra samihafa. Sehatra tsy azo ihodivirana ny fampiasana ny nomerika amin’ny fiainana marolafy. Tafiditra amin’izany ny tontolon’ny fambolena sy ny famokarana. Misy, araka izany, ny fanolorana […]