Mois : août 2023

Toamasina : 62, 35% ny taham-pahafahana bakalorea

Niakatra ho 62,35% ny taham-pahafahana fanadinam-panjakana bakalorea, ho an’ny faritany Toamasina, ahitana faritra telo : Alaotra Mangoro, Atsinanana ary Ana­lanjirofo. 62,30 % ny ta­ham-pahafana ny taon-dasa. Nihaona ny alatsinainy lasa teo, tetsy amin’ny CEG Ra­tsimilaho ireo mpampianatra sy filohan’ny oniversite nandinika ny naoty farany ambany. Nambaran’ny filohan’ny oniversite, dokotera Razanako­lona […]

« Salon de l’étudiant »: Vinavinaina ho 10 000 ny hitsidika

Mikarakara «Salon de l’étudiant» ny Centre d’information et de documentation scientifiques et techniques (CIDST). Hotanterahina etsy amin’ny lycée JJ Rabearivelo Analakely izany ny 24 sy 25 ary 26 aogositra ho avy izao. Miavaka ny hetsika amin’ny fandraisan’ireo ivontoeram-panofanana ho mpiasam-panjakana sy ireo sekoly ambony eto Antananarivo sy avy any amin’ny […]

Fahazoana vatsim-pianarana : 27 mianadahy ireo mpianatra ho any Sina

Hanainga ato ho ato ireo Malagasy mpianatra 27 mianadahy handranto fianarana any Chine. Nisafidy lalam-piofanana maro izy ireo. Hiverina an-tanindrazana rehefa vita ny fianarana. Nampahafantarina oma­ly, teny Ivato, ireo tanora 27 mianadahy hanohy fianarana any amin’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine. Hanainga ato ho ato izy ireo ary hiparitaka amin’ireo oniversite 23 […]

TARATRY ny KANTO

Tafatsangana ny « Sehatra bagasy » any Frantsa. Io no anisan’ny voandalana lehibe nentin’ny R’Imbosa nandritra ny fandalovany tany an-toerana. Mialoha ny fifidianana dia ireto aloha no mitantana : Raiamandreny : Rakotonirina Wilson sy Hanta mivady. Filoha : Andrianasolo Rolland Rafiankinana sy Antso mivady. Mpitan-tsoratra : Rasoamahenina James sy Eliane mivady. Tsy mivelatra ny hosodoko. Noho […]

Lalaon’ny Nosy : misy ny sehatra ho an’ny haikanto sy ny kolontsaina

Misokatra manomboka anio hatramin’ny 2 septambra 2023, eny amin’ny Villa­ge Voara Andohatape­na­ka, ny “Village Culturel des jeux des îles”. Hetsika natokan’ny mpikarakara ny lalaon’ny Nosy hampahafantarana ny zava-misy eo amin’ny haikanto sy ny kolontsaina, avy amin’ireo nosy mandray anjara. Tanjon’ ny hetsika ny hampahafantatra ny kolontsain’ireo nosy manodidina, indrindra ny eto […]