Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy,omaly, teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT Andavamamba), ny hetsika fampirantiana “La Francophonie dans la diplomatie et à travers les contenus Culturels Malagasy”. Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK) sy ny « Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) » ary ny AFT Andavamamba no nahatanterahan’izao hetsika izao. Tanjona […]
Mois : août 2023
Mozika miaina : namoaka ny rakikira « Fito – Seven » Rajery
Mpanakanto 43 taona nitendrena valiha. 40 taona niakarana sehatra. 30 taona niatrehana ny sehatra iraisam-pirenena. Hita taratra ao anatin’ny rakikira « Fito – Seven » avokoa ireo traikefa ireo. Mpanakanto manana ny lazany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ! Nampahafantarin-dRajery, omaly, tao amin’ny Carlton Anosy, ny fivoahan’ny rakikira vaovao « Fito – Seven ». Hira 9 no voarakitra ao […]
Fampahatsiahivana tantara : 360 ireo olo-malaza mitondra anaran-dalana eto Antananarivo
Mahatratra 360 ireo anaran-dalana manerana an’ Antananarivo, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny Vakoka sy ny fizahantany eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. 5% ireo toerana tsy mbola misy anaran-dalana ankehitriny, raha ho an’Antananarivo manokana. “Nosafidina afaka mitondra anaran-dalana ireo olo-malaza, efa maty, nahavita zava-dehibe teto Antananarivo sy […]
FANTINA SY FINTINA
Misokatra manomboka anio ny fametrahana dosie ho an’ireo kandidà hofidiana ho filoham-pirenena ary hifarana ny 6 septambra. Miisa 15 ireo antontan-taratasy ilaina haterina etsy amin’ny HCC Ambohidahy. Miisa 10 aloha hatreto ireo kandidà ka vehivavy ny roa. Mitaky hatrany ny hiarahan’i Betroka amin’ny faritra Ihorombe ny depiote Randrianosolo Nicolas. Tsy […]
Kandidàn’ny FTT, Razafinjoelina Tahina : “Avelao ny hevitra no hiady fa tsy ny olona…”
Anisan’ireo nanao sonia ilay satan’ny fitsipi-pitondran-tenan’ny antoko politika “Charte de bonne conduite”, tetsy amin’ny foiben’ny Friedrich Ebert Stiftung (FES), Ankadifotsy, omaly, ny kandidà ho filoham-pirenena, Razafinjoelina Tahina. Nambaran’ity mpirotsaka hofidina atolotry ny vovonan’ny Firaisankina ho an’ny tia tanindrazana (FTT) ity fa zava-dehibe mandritra ny fifidianana ny adihevitra. «Aoka mba ho […]




