Toerana iray ahafahana mitaratra sy mamantatra ny lalana nodiavin’ny haino vaky jery teto Madagasikara ny eny amin’ny Havoria Anosy. “Hamela mamy ho an’ny taninjanaka”. Fanatanterahana io vinan’ny filoham-pirenena io no anisan’ny antony nananganana izao fotodrafitrasa izao.
Tontosa omaly, teny Anosy, ny fitokanana ny Havoria: “Auditorium” sy mozean’ny haino vaky jery eto Madagasikara. Nitarika izany i Lalatiana Rakotondrazafy, minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina. Olom-panjakana sy tomponandraikitra maro samihafa eo anivon’ny haino vaky jery no niatrika izany. Eo amin’ny tokotaniben’ny ORTM, toerana nisy ny radio nasionaly Malagasy (RNM) fahiny no misy ity mozean’ny haino vaky jery, voalohany, eto Madagasikara ity.
Roa taona aty aoriana, vita ary azo ampiasaina sy tsidihin’ny besinimaro ny « Havoria, mozean’ny haino vaky jery eto Madagasikara ». 1 200 m2 no refin’ity toerana ity. 260 m2, ho an’ny mozea. Eo ihany koa ny “Auditorium”, mirefy 800 m2, mahazaka olona 600 isa. Ankoatra izay, ahitana birao enina sy trano fisakafoana ihany koa eny an-toerana. Ao koa ny “Rindrin’ny adidin’ny tsiahy”, rindrina ahitana ny sarin’ny tomponandraikitra nifandimby teo amin’ny ORTM. Eo koa ny mozea ahitana petadrindrina misy ny tantaran’ireo fitaovana rehetra nampiasain’ny RNM sy TVM hatramin’izay, sahala amin’ny Nagra, ny “Tourne disque”…Ankoatra izay, misy ny efitrano ahafahana mijery ireo horonantsary mirakitra ny zava-mitranga voarakitra an-tsary rehetra. Raha tsiahivina, ny volana oktobra 2021 no nametrahana ny vato fototry ny Havoria. Manomboka amin’ny Alatsinainy 11 septambra 2023 no afaka tsidihin’ny besinimaro ity tranom-bakoky ny haino vaky jery ity.
Ankoatry ny lanonam-pitokanana, nisy ihany koa ny fampisehoana ara-javakanto sy ara-kolontsaina, nisantarana sahady ny “Auditorium” ao amin’ny Havoria.
Lin




