Mamono afo

Na efa miroso aza ny fanatanterahana ny fifidianana, misy hatrany ny miady sisika sy miady sisina hijanona na hihemotra amin’izany. Mila fandaminana, hono, ny tokotany ilalaovana, ny fitsipi-dalao, ny mpilalao hoe iza marina no mahazo fahazoan-dalana… Hahita rariny sy rirany amin’izany? Sahirana fa tsy mahita mangirana sy izay idirana, dia fanakorontanana sisa  ifikirana hoe tsy azo ihodivirana? Na terena ho tonga sy ho tanteraka fotsiny izao ny tahotra sy ahiahy lava amin’ny hoe mety hisian’ny korontana mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana.

Izay no mahatonga ny karazana paipaika sy hetsika amboletra etsy sy eroa? Nefa iomanana ihany ny fiatrehana fifidianana amin’izany… Izay hampibolisatra ny fitondram-panjakana hanaotao foana no ketrehina sy kendrena? Tsy inona fa fandrehetana afo fotsiny izao. Tsy mahagaga, mandeha ho azy ny famonoana afo amin’ny mihetsika. Mba tsy hirehetan’ny trano sy ny tanàna… Tsy maintsy atao izay fomba rehetra hampanjakana ny filaminana sy ny fitoniana; eny, na manempotra sy mampisamboaravoara aza ny rivotra politika amin’izao: fomban-javatra, miady… hilaminana.

Raha misy ny mandrehitra afo, ao ny mamono afo. Nefa misy koa ny mamono afo amin’ny fanafenana ny marina amin’izay tena ketrehiny sy tetehiny: tsy maintsy voafidy, hono; raha tsy izany, hanohitra fotsiny izao aorian’ny fifidianana. Mamono afo izany: fonosina na afenina ny marina, nefa ny tena no ho may. Mody mamono afo na manao vono afo hirosoana amin’ny fifidianana, nefa mamono afo na atao an-kifonofono ny marina: raha fonosina, mandoro. Fandrika hitan’ny vorona, matoa resahin’ny sasany etsy sy eroa? Mamono afo manao fitan-droa: manao izay hilaminana hisian’ny fifidianana, nefa miketrika korontana raha vao tsy voafidy eo. Mbola misy ho azo amin’izany?

R. Nd.

Partager sur: