Baolina kitra : Naka «renfort» 6 ny CFFA

Ho fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, naka mpilalao miisa 6 hanatevina azy ireo ny CFFA Andoharanofotsy, tompondakan’i Madagasi­kara. Mpilalao efatra avy amin’ny Disciples FC Vakinankaratra dia i Rado sy i Fabrice miampy an’i Tendry sy i Andy. Roa avy amin’ny Elgeco Plus dia i Fitahiana sy i Tony. Nohamafisina an’i Rado sy i Tony, araka izany, vodilaharana ary nohatevenina an’i Tendry sy i Fitahiana ary i Fabrice ny lohalaharana ary i Andy kosa ny eo afovoan’ny kianja. Nambaran-dRajaonarisamba Franck, mpanazatra, fa tsy hoe tsy mahavita akory ireo mpilalao efa ao fa manamafy satria ny tanjona dia ny handeha lavidavitra kokoa fa tsy fihodinana voalohany dia efa raraka. Mpilalao manana traikefa ary efa nanatevina ny Barea avokoa ireo nantsoin’ny CFFA ireo. Tsiahivina fa efa fanaon’ireo klioba maneran-tany ny findramana mpilalao tahaka izao, rehefa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka. Andrasana kosa izay mpilalao hanampy ny FC Rouge, izay hisolo tena an’i Madagasikara eo amin’ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona.

Tompondaka

Partager sur: