Mitohy hatrany ny ady hiragasy, isaky ny alahady. Manomboka liana amin’izany ny mponina eto an-drenivohitra, indrindra ny tanora. Mitombo, manaraka izany, koa ny ezaky ny mpikarakara.
Tontosaina eny amin’ny Kianjan’ny Hiragasy, eny Ampefiloha, isaky ny Alahady tontolo andro, ny ady hiragasy, ifanandrinan’ireo tarika maro samihafa. Hatramin’izay nisokafan’ny kianja, tsikaritra ho mitombo hatrany ny mpijery. Miha maro an’isa ihany koa ny tanora, ankoatra ireo zokiolona, efa mpankafy mahazatra. Ny fikambanan’ny Mpihiragasy eto Madagasikara (FMGM), miaraka amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina no mikarakara ny hetsika.
Ny tarika Sahondrafinina Standard, Ankadinondry sy ny tarika Robertson, Fenoarivobe, samy avy any amin’ny faritra Bongolava no nanafana ny sehatra, omaly. Tsy araka ny nanampoizana azy fa tanora no maro anisa tamin’ireo mpijery. Raha ny nambaran’ny tomponandraikitra, ankoatra ny seho mitsingeringerina, ny fanehoan-kevitra amin’ny fomba miavaka no tena ankafizan’izy ireo mijery ady hiragasy. “Ilay mihaino azy ireo mifanome hafatra no tena itiavako mijery hiragasy. Sahalan’ny mijery mpanao Rap mifanome fantsy ihany fa amin’ny endriny hafakely”, hoy i Lova, mpankafy hiragasy.
“Izay diso fisera tsy maintsy mianjera”, io no lohahevitra nentina nanafanana ny sehatra, omaly. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny FMGM, efa ao anatin’ny ezaka ny tarika tsirairay ny mampifanaraka ny lohahevitra amin’ny toerana sy ny zava-misy ary ny mpijery, mba hahatonga izany lohahevitra izany hiantraika tsara any amin’ny vondron’olona tilina.
Lin




