Vondron’ny Tanora Malagasy : “Ilaina ny fanarenana maika ny fitantanana”

Nambaran’ny eo anivon’ny Vondron’ny Tanora Malagasy (VTM), tarihin’ny filoha nasionaliny, Rakotomalaza Desiré, fa misy ny laharam-pahamehana tokony hapetraka eto amin’ny firenena. “Ilaina harenina ny fitantanana ary tokony hojerena maika izany”, hoy izy ireo, tetsy Andrefan’Ambohi­janahary, afakomaly. Nante­rin’izy ireo fa anisan’ny antony naharesy lahatra azy ireo hiara-dalana amin’ny Firai­sankinan’ny tia tanindrazana (FTT), tarihin’ny kandidà Ra­za­finjoelina Tahina amin’ny fifidianana izany.
Eo koa ny fitsinjovana ny tontolon’ny fampianarana sy ny fanabeazana. Manampy izany ny fijerena ny fototry ny fahantrana sy ny olana ara-pivelomana ary ny fidangan’ny vidim-piainana. “Efa tena tsy mifanaraka amin’ny fahefa-mividin’ny sarambabem-ba­hoaka intsony izany”, hoy ihany izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany koa ny fahaleovan-tena ara-tsakafo , anisan’ny fototry ny fivoarana sy ny fampandrosoana.
Etsy andaniny, anisan’ny vinan’ny kandidà laharana voalohany io ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny resaka fahasalamam-bahoaka. “Anisan’ny hojereny manokana ny saran’ny fitsaboana. Lafo loatra amin’izao fotoana izao. Harahi-maso ny kolikoly amin’izany”, hoy ihany ny VTM.
Anisan’ny ao anatin’ny Vina ka hanohanan’izy ireo ny FTT ny fanohanana ny tantsaha sy ny fikarohana lalam-barotra ary ny fanamboaran-dalana.

Synèse R.

Partager sur: