« Opération Bokiko » : miditra amin’ny andiany faharoa ny “Tsenaben’ny boky”

Hotanterahina ny 22 sy 23 septambra 2023, eny An­driam­pamaky, ny hetsika “Tsenaben’ny boky”, andiany faharoa. Ny “Opération Bo­kiko” miaraka amin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombona antoka aminy no mikarakara ny hetsika. Fifaninanana maro samihafa manodidina ny vaky boky sy ny literatiora no handravaka ny roa andro hanaovana ny hetsika. Fana­tonana sy fampirisihana ny mponina eny amin’ny tontolo ambanivohitra hamaky boky no tanjon’ny tetikasa.

Ambohipihaonan’ny mpan­ka­fy boky ny eny amin’ny Masina Misely Andriam­pamaky, amin’ny faran’ity herinandro ity. Fifaninanana mamaky teny, manoratra to­nonkalo, varotra sy fampirantiana, velakevitra iarahana amin’ny mpanoratra. Hisy ihany koa ny korana sy ny fiaraha-mifaly amin’ny alalan’ny afon-dasy, izay ravahin’ny antsan-tononkalo iarahana amin’ny poeta avy ao amin’ny Faribolana Sandratra. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, fahombiazana no azo ilazana ny andiany voalohany. Izany indrindra no nanohizana ny hetsika niampy ny fitondrana ny hetahetan’ny mponina eny amin’ny tontolo amin’ny boky tiany sy ilainy.
Raha tsiahivina, tamin’ny taon-dasa no nanaovana ny andiany voalohany. Hitohy hatrany ny hetsika karakarain’ny fikambanana hanatrarana ny vina napetraka.

Lin

Partager sur: