Hiditra amin’ny lalao manasa-dalana anio, any Mahajanga, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly “N1B”, sokajy vehivavy. Anisan’ny tafakatra hiatrika izany ny ekipan’ny MB2All Analamanga, rehefa nandresy ny Dunamis, tamin’ny isa 62 no ho 54, teo amin’ny ampahefa-dalana. Vonona ny hitazona ny toerany ity ekipan’Analamanga ity, araka ny nambaran’i Anja, mpilalao ao […]
Mois : septembre 2023
Kitra vehivavy : miray vondrona amin’i Afrika Atsimo i Madagasikara
Anisan’ireo taranja tsy nandraisana anjara tamin’ny lalaon’ny Nosy 2023, izay natao teto amintsika, ny baolina kitra, vehivavy. Tsy mijanona anefa ny fifaninanana ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, handray anjara amin’ny Cosafa izy ireo. Taorian’ny antsapaka natao ny alakamisy 14 septambra lasa teo, ao anatin’ny vondrona A i Madagasikara amin’ny fifaninanana « Cosafa Women’s […]
« Slam nationale 14 » : vahinin’ny hetsika i Nicolas Séguy
Hotanterahina ny 29 septambra 2023, eny amin’ny Institut française de Madagascar (IFM) Analakely, ny fampisehoana iarahana amin’i Nicolas Séguy, teratany Frantsay mpitendry Piano. « Concert Piano Voix », io no lohatenin’ity seho goavana iarahana amin’ity mpitendry zavamaneno vahiny ity. Ny Madagaslam no mikarakara ny hetsika ary tafiditra ao anatin’ny « Slam nationale 14 ». […]
Taratry ny kanto
Raha te hirotsaka amin’ny tontolon’ny mozika any ivelany. « Tsara raha mandalina sy mianatra azy io mihitsy », hoy i Niu Raza, nandritra ny fandalovany teto Madagasikara. Tsara ny manana talenta, fa miampy kokoa ny fisokafan’ny lalana raha mandalina, raha ny fanazavany hatrany. « Ça Claque ». Tanterahina anio tolak’andro, eny amin’ny AFT Andavamamba, […]
CGM/GZ: hiaka-tsehatra ry Sarandra Beloba
Mifanao fotoana, anio manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny Cercle Germano Malagasy (CGM/GZ) ny mpitia zavakanto sy ny tarika Sarandra Beloba. Ireo hira na gadona avy any amin’iny Faritra Anôsy iny no hoentin’izy ireo eny an-tsehatra. Misongadina ao anatin’izany ny mangaliba sy ny katreaky. Anisan’ny lalan-kizoran’ny Sarandra Beloba ny […]




