Hametraka fandaharanasa ho an’ny firenena, hotanterahina hatramin’ny taona 2027, momba ny rafitra fampitandremana mialoha ho an’ny rehetra ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) sy ny foibe famantarana ny toetry ny andro ary ny rafitra ivondronan’ny Firenena mikambana. Nisy fakan-kevitra nasionaly notanterahina nandritra ny roa andro izay […]
Mois : septembre 2023
Tsy mahatody herinandro ny karaman’ny mpiasa: hanao fanehoan-kevitra am-pilaminana ny FSMM
Hanatanteraka fanehoan-kevitra am-pilaminana ireo sendikà mpikambana amin’ny fiombonamben’ny sendikàn’ny mpiasa malagasy (FSMM) anio, eny amin’ny cathédrale Degs Ankatso. Voalazan’izy ireo fa tsy mahatody herinandro ny karama iray volana omen’ny mpampiasa satria tsy misy mihitsy ny “intégration” ary ambany be ny sandan’ny indemnité natokana ho an’ny trano fonenan’ny mpiasa. Tsy voaloan’ny […]
Dr Rabenirina Feno: avy amin’ireo karazan’aretina fototra no mahatonga ny aretim-po
Mahaliana ny olona ny mahafantatra ny fahasalaman’ny fony. Tsy ny sento sy hataitairana no hamaritana ny aretina fa mila tiliana mihitsy. Avy amin’ny karazan’aretina maromaro no mitarika ny tsy fahasalaman’ny fo raha ny fanazavana entin’ny Dr Rabenirina Feno. Nitondra fanazavana ny dokotera Rabenirina Feno fa maromaro ireo aretina fototra mitondra […]
Vaovao tambatra
Niakatra ho 3 100 Ar ny kilaon’ny vary « stock » hafarana avy any ivelany. Mahatonga izany ny halafosan’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, 400 dolara ny vidin’ny 1t. Raha adika io, mahatratra 140 000 Ar ny vidin’ny iray gony, milanja 50 kg, handraisan’ny mpamongady azy. Manodidina ny 2 800 Ar hatramin’ny […]
Fanajariana ny lakandrano C3 : miisa 559 ny tsatoka napetraka eny Anoibe- Namontana
Mitohy ny fanatanterahana ny asa ao anatin’ny Fadaharanasa fanajariana sy fanatsarana ny lemak’Antananarivo (Produir), vatsian’ny Banky iraisam- pirenena ara-bola. Voakasik’izany ny fanajariana, ny fanadiovana, ny fanatsarana ny tontolo manodidina ny reniranon’Ikopa sy Sisaony. Anisan’ny asa hatao ny hanadiovana ny lakandrano C3, miainga eny Anosibe hatrany Ambodimita. Nampahafantarina sady nentanina ny […]




