Mizotra hatrany ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety sokajy « vétéran » atao any Ambatondrazaka. Misongadina ireo ekipa vaventy, hatramin’izao. Hiditra amin’ny andro fahadimy, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, ho an’ny sokajy «vétéran», lahy sy vavy. Fifaninanana tanterahina any Ambatondrazaka, ny 10 hatramin’ny 17 […]
Mois : septembre 2023
INDRAY MIJERY
Miara-mientana amin’ny fametrahana aro afo ny Graine de Vie. Tetikasa iray ao Ambohitantely, distrika Ankazobe no anaovana aro afo amin’izao fotoana, ho fiarovana ny ala sy ny hazo novolena. Mametraka aro afo 5 ka hatramin’ny 8 km eo ny Graine de vie, mirefy 15 m ny sakany. Fiaraha-miasa eo amin’ny […]
Cnarp : namokatra fanafody am-polony avy amin’ny zavamaniry
Efa niorina ny taona 1976 ny ivontoerana fikarohana (Cnarp), mamboly sy mikarakara zavamaniry fanao fanafody. Maro ny voka-pikarohana vita hatramin’izay fa nisongadina nandritra ny ady tamin’ny fiparitahan’ny Covid-19 ny «solution hydroalcoolique» fanadiovana tanana; ny «niaoulee» ody sery, menaka fanosotra anaty orona ary ny “hevokina”, ody kohoka sy sery atao evoka, […]
AFF-Kaominina Ivato : ankizy 140 nisitraka kopia faobe
Fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny fikambanana Andry sy Fototra ho an’ny Fampandrosoana (AFF) izay tarihin’ny filohany, Ravatomanga Haingo, no nahafahan’ireo ankizy 140 nisitraka kopia maimaimpoana omaly, teny Ivato. Niarahana tamin’ny fitsarana mahefa sy ny lehiben’ny dokotera ao an-toerana ny fanatontosana ny tetikasa “Kopia faobe”. Porofon’ny maha olom-pirenena ny fananana kopia ka […]
Dren Vakinankaratra : nisokatra ny taom-pianarana 2023-2024
Natao tany Antsirabe I, faritra Vakinankaratra ny fanokafana ny taom-pianarana 2023-2024. Ankoatra ny lanonam-panokafana, nisy ny tantsoroka nentin’ny minisitera ho an’ny sehatry ny fanabeazana Nosokafana, omaly, tany Antsirabe, faritra Vakinankaratra ny taom-pianarana 2023-2024. Ny ministry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle no nitarika izany tany an-toerana. Maro ny ezaka ataon’ny minisitera […]




