Mois : septembre 2023

Ambatomaro : fiarabe nibahan-dalana, niteraka korontana

Raikitra ny savorovoro teo amin’ny mponina sy ny mpiasa mpamilina fiarabe iray nibahan-dalana vavahadin’olona teny Ambatomaro, oma­ly. Manao asa ao amina orinasa iray eny an-toerana ity fiarabe ity saingy tsy misy toerana afaka hijanonany ao amin’ny orinasa. Voatery mipetraka eny ivelany teo anoloan’ny vavadin’olona sady lalana ifamezivezen’ireo mponina ity fiarabe […]

Rabearimanana Gabriel : nanolotra boky haren-tsaina ho an’ny CUA

Karazam-boky maro mirakitra tantara sy haren-tsaina no natolotry ny fianakavian-dRabearimanana Gabriel ny CUA, omaly. Natao omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny tanànan’ Antananarivo Renivo­hitra, ny fanolorana ireo boky nosoratany sy tahirin’ny profesora Rabearimanana Gabriel ho an’ny tranombokin’ny kaominina Antananarivo Renivo­hitra. Nandray izany ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Reni­vo­hitra, Andriantsitohaina Naina sy ny talen’ny kolontsaina […]

SOMBIM-BAOVAO

Nahazo ny laharana faharoa, tamin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, tany Arabia Saoudite, taranja Haltérophilie, sokajy -45 kg, Radafiarison Rosina, vehivavy atleta malagasy. Nahavita «pérformance» (77 kg arraché, 93 kg épaulé, jeté 170 kg total olympique) izy, tamin’ity fifanintsanana ity. Hanomboka ny zoma 9 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny […]

Can 2023 – Handball : hifanandrina amin’ i Tunisie ny Akio

Hotanterahina any Mo­nastir Tunisie manomboka rahampitso 7 – 14 septambra, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja handball, sokajy juniors vehivavy. Hihaona amin’i Madagasikara voalohany i Tunisie, mpampiantrano. Miisa 10 ireo firenena mandray anjara amin’ity andiany faha-30 ity. Ahitana an’i Madagasikara, i Tunisie, i Algérie, i Mali, i Angola, i […]

Rallye : mitarika i Mathieu Andrianjafy

Dingana 3 izay no tontosa eo amin’ny fifaninanam-pirenena familiana fiarakodia ho an’ny taom-pilalaovana 2023. Mitarika eo amin’ny mpanamory, Andrianjafy Mathieu mitondra ny fiara Subaru, avy amin’ny Asacm, manana isa 170, 50. Nandraisany anjara avokoa ireo hazakazaka telo efa-tontosa. Raha tsiahivina, nanokatra ny fihaonana ny an’ny klioba FMMSAM, nanana lanjan’isa 1.0, […]