Mois : septembre 2023

Taekwondo – Lalao Olympika 2024 : hiady tapakila any Sénégal ny Malagasy

Mitohy avy hatrany ny asa ho an’ny federasiona malagasin’ny taekwondo, taorian’ny fahavitan’ny lalaon’ny Nosy. Efa manomana ireo atleta amin’ny fiatrehana ny fifanintsanana ho an’ny lalao Olympika (JO 2024) izy ireo. Nambaran-dRamanan­tsoa Christian, filohan’ny federasiona malagasin’ny taekwondo, tamin’ny mpanao gazety, ny alatsinainy teo, teny Iavoloha, fa mitohy avy hatrany ny asa […]

INDRAY MIJERY

Hatao rahampitso sy ny zoma ho avy izao, eny amin’ny esplanade Ankatso, ny hairanty fampahafantarana ireo lalam-piofanana eny anivon’ny oniver­siten’Antananarivo. Manodidina ny 35 000 ny isan’ny mpianatra manaraka fampianarana isan-taona, anisany ireo vao nahazo ny mari-pahaizana bakalorea teo. Hanampy azy ireo hisafidy ny lalam-piofanana ny hairanty. Nanome fonosan-tsakafo 4 000 […]

Natokana ho an’ny daholobe : andiany faharoa ny vaksiny miaro amin’ny polio

Niditra amin’ny andiany faharoa indray ny vaksiny miaro amin’ny aretina lefakozatra ho an’ny daholobe, nanomboka omaly ary haharitra hatramin’ny zoma izao, manerana ny Nosy. Nam­pidirina ho anisan’ny mpisitraka ny olon-dehibe satria hita tamin’ny fanadihadiana fa nisy olon-dehibe lasa nalemy tampoka vokatry ny fahazoany ny tsimokaretina «polyovirus». Vokatry ny fiparitahan’ny tay […]

English Club: mpitantana 26 nahavita fiofanana

Mpitantana English Club miisa 26 avy ao Antsiranana no nahavita fiofanana notarihin’ny Dr Kathleen Malu, avy amin’ny William Paterson University ao Etazonia, ny faran’ny herinandro teo. Nokarakarain’ny masoivoho amerikanina ny fiofanana ary nizarana azy ireo ny torohay sy teknika mahomby amin’ny fitarihana sy fanentanana ny English Club. Ankoatra ny fampahafantarana […]

Seces sampana Antananarivo : “Fitakiana iray amin’ny sivy no nivaly”

Fampiharana ny fehin-kevitra tao anatin’ny filankevitra nasionaly natao ny volana jona lasa teo ny firosoana amin’ny fitakiana samihafa ho fangatahana ny hampiharana ny zo aman-kasin’ny mpampianatra. Nanao hetsika miaraka amin’ny fanamiana ahafantarana azy ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra, eny amin’ny oniversiten’An­tananarivo, omaly. Na teo aza ny fanambaran’ny Praimi­nisitra […]