Mois : septembre 2023

TARATRY ny KANTO

Miditra ny mpianatra. Na efa mahaliana ireo ray aman-dreny aza ny mahita ny zanany mianatra ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy any am-pianarana, mbola mavesatra ho azy ireo ny saram-pianarana natokana ho an’izany. Ny ankamaroany, miangavy amin’ny tomponandraikitry ny sekoly mba ho maimaimpoana ny fianarana azy ireo. Mivelatra be sy […]

Fiaraha-miasa amin’ny mpanakanto: masoivohon’ny Orange i Big MJ

Tontosa omaly, teny amin’ ny Redland Ankorondrano, ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny mpanakanto i Big MJ sy ny Orange Madagascar. Samy hahazo tombony ao anatin’izao fifanarahana izao ny roa tonta. Masoivohon’ity orinasam-pifandraisana ity izany i Big MJ manomboka izao. « Tombony lehibe ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa sahala amin’izao, indrindra amin’ny fanatanterahana ny […]

« Lamba vao, Ainga vao » : mitohy ny fampiran­tiana ny lamba

Tanterahina anio, eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny valandresaka arahina adihevitra, ma­hakasika ny lamba teo amin’ny kolontsaina malagasy. Mbola tafiditra ao anatin’ny fampirantiana « Lamba forever » ity he­tsika ity. Mpahay kanto mampiasa lamba amin’ny haikantony no handray anjara amin’izany valandresaka izany. Mitohy hatrany ny fampirantiana “Lamba forever”. Mandravaka izany eny an-toerana […]

Telo taona ny VKMM : 60 mianadahy nosorana ho mpikabary

Vovonana sy kiadin’ny maha Malagasy (VKMM). Iray amin’ireo mametraka ho laharam-pahamehana ny fikoloana ny kolontsaina malagasy. Sehatra iasany voalohany ao anatin’izany ny kabary. Nisy ny vokatra… Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, ny fanosorana ho mpikabary ireo 60 mianadahy ao anatin’ny andia « Raitra » sy « Hasina ». Fotoana […]

VAOVAO TAMBATRA

Mampitaraina ny mponina sahady ny fahatapahan-jiro matetika. Lasibatra ny fihariana madinika, indrindra ireo miankin-doha amin’ny herinaratra. Mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ihany koa izany. Matahotra ny mpiara-belona manoloana ny asan-jiolahy isan-karazany. Mpikambana 23 avy amina kaoperativa roa avy ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, misehatra amin’ny famokarana masomboly fambolem-bary, no nisitraka fiofanana […]