Mandray anjara feno amin’ny maha orinasa tompon’andraikitra azy eo amin’ny fiarahamonina (RSE) ny Sema Eau vive, eo ambany fiahian’ny Star. Notolorana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa valo ny fokontany Andranovelona, toerana iorenan’ny ozinina mamokatra rano fisotro amin’ny tavoahangy, Eau vive. Mazava daholo izao ny miditra sy mivoaka ny tanàna. […]
Mois : septembre 2023
« Tetikasa PURPA »: tantsaha 126 200 hahazo tohana hana-pamokarana
Hipaka mivantana amin’ny mpamokatra maro manerana ny Nosy ny tetikasa “PURPA”. Betsaka ny tombontsoa azo tsapain-tanana mandritra ny roa taona hanatanterahana izany. Drafitrasa hanohanana ny tantsaha sy hampiroboroboina ny sehatry ny fambolena ny tetikasa “Projet d’urgence de renforcement de la production alimentaire”, (PURPA), izay hiasa eto Madagasikara mandritra ny roa […]
Fampandrosoana ny firenena : tokony homena sehatra ny Malagasy manampahaizana
“Ny tsy fanomezana sehatra ny Malagasy manampahaizana no antony iray tsy mampandroso an’i Madagasikara”, hoy ny mpahay toekarena, Rakoto David, nandritra ny varavarana misokatra teny amin’ny sekoly ambony tsy miankina, ESUM, Andavamamba, omaly. Nilaza izy fa disoana ny fiheverana fa tsy mahay ny Malagasy ka tsy maintsy miandry ny vahiny […]
Fisorohana ny ady an-trano : vonona hanohy ny fitarihana ny fihaonamben’ny FFKM
Nifarana afakomaly ny fihaonambem-pirenena nokarakarain’ny FFKM, teny Mandriamena Andoharanofotsy. Namoaka fanambarana sy fehin-kevitra taorian’izany izy ireo. Mbola mikasa ny hitarika ny diniky ny mpanao politika mialoha ny fifidianana ireo ray aman-dreny eo anivon’ny fiangonana. “Mahatsapa ny FFKM fa ilaina ny mbola hisiana fifampihainoana sy fifampiresahana eo amintsika samy Malagasy, ahitana […]
Kick-boxing : nahazo medaly volamena 8 i Madagasikara
Nifarana omaly zoma 1 septambra ny fifaninanana Kick-boxing, ho an’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Tsara ny vokatra ho an’ity taranja ity, amin’ny ankapobeny. Medaly 14 no norombahan’ny Malagasy, nahitana volamena 8, volafotsy 4 ary alimo 2. Araka io vokatra io, nahazoan’i Madagasikara medaly avokoa ireo sokajy 14, tetsy amin’ny CCI […]




