Navoakan’ny orinasa Telma Madagasikara, ny volana jona 2020, ny tanjaka 5G, voalohany aty Afrika. Fivoarana teknolojia miavaka, satria tambajotra tena matanjaka. Miara-miasa amin’ny marika Ericsson (orinasa Nasdaq : Eric) ny Telma amin’ny fametrahana ny tanjaka 5G, ho an’ny finday nohatsaraina (eMBB) ny voalohany, ary ny fitaovam-pifandraisan-davitra tsy mila tariby (FWA) ny […]
Mois : septembre 2023
Mila fitsaboana
Mandalo fotoan-tsarotra i Madagasikara. Misary milamindamina ny andavandrom-piainan’ny vahoaka. Sahalan’ ny olona tsy manana olana avokoa. Asa ? Efa vita vaksiny amin’ny fijaliana sy ny fahantrana lalina angamba ka tsy maheno hirifiry intsony. Toa tsy misy taitra amin’izato vaovao miely fa nihena hatrany amin’ny 50 % anie ny zaza niditra […]
Salon international de l’habitat : hankalaza ny jobily volafotsy amin’ity taona ity
Hiavaka tanteraka ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny hetsika « Salon international de l’habitat », hatao ny 19 ka hatramin’ny 22 oktobra izao. Hisy ny fihenam-bidy manokana hatolotr’ireo mpandray anjara. Hotontosaina ny 19 ka hatramin’ny 22 okotobra izao ny hetsika « Salon international de l’habitat » (SIH), izay hatao eny amin’ny Parcs des expos, Forello, […]
Morarano Ankilizato : zaza varira nalain’ny dahalo teny an-trotroin-dreniny
Nitrangana fakana an-keriny zaza varira indray tao amin’ny fokontany Morarano, kaominina ambanivohitr’Ankilizato, distrikan’i Mahabo, faritra Menabe, afakomaly. Nalain’ny dahalo an-keriny teny an-trotroin-dreniny ny zazavavy iray taona sy tapany (zazakely mbola minono). Dahalo enin-dahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no tompon’antoka tamin’ ity fakana an-keriny ity. Niditra an-keriny tao an-trano ireo dahalo. […]
TSELATRA
Mpitondra moto sy mpitondra bisikileta nifandona teo Ambohimahitsy-Ambohimangakely, omaly tamin’ny 5 ora hariva. Nandeha mafy ny moto ka nifatratra tampoka tamin’ilay bisikileta. Samy tsy nahatsiaro tena vokatry ny dona mafy nahazo azy ny roa tonta ka nentin’ireo nanatri-maso namonjy ny CHRD Ambohimangakely. Saron’ny zandary ireo mpivady nanao sarintsarina fakana an-keriny […]




