Mois : septembre 2023

Sombim-baovao

Tontosa omaly 23 septambra 2023 tany Tanambe Alaotra Mangoro, ny fanolorana ireo mari-pankasitrahana sy ireo fitaovana ho an’ireo mpanazatra nanaraka ny fiofanana « pass it back rugby ». Tonga nanome voninahitra izany fotoana izany, ny tale misahana ny fanatanjahantena any an-toerana izay avy eo anivon’ny ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Samy nahazo […]

Karate-“Challenge de Betsileo” : nandray anjara ireo kalaza tamin’ny JIOI

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Fianarantsoa, ny “Challenge de Betsileo”, andiany faharoa, taranja Karate. Niavaka tanteraka ny fifaninanana tamin’ity indray mitoraka ity satria saika namaly ny antso avokoa ny ligy rehetra manerana ny Nosy ary nandray anjara ireo kalaza sy nahazo medaly tamin’ny lalaon’ny Nosy teo. Raha hiverenana ny […]

Taekwondo WT: vaky ny ady eo amin’Analamanga sy ny federasiona

Mihenjan-droa amin’izao fotoana izao ny tady eo amin’ny ligin’Analamanga sy ny federasiona Malagasy ny Tae-kwon-do WT. Namaky ny vay maharary ity haiady ity, tamin’ny rehetra, ny filohan’Analamanga, Rakotomanana Franck Tiana. Namory ny mpanao gazety, tetsy Andravoahangy, ny sabotsy lasa teo, ny filohan’ny ligin’Analamanga, Rakotomanana Franck. Nokianiny mafy tamin’izany, ny fitantanan-dRamanantsoa […]

TARATRY ny KANTO

Poopy 40 taona niakarana an-tsehatra. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny fankalazana ity vanim-potoana lehibe ity ny fanatontosana seho any ivelany. Fantatra fa ny 21 oktobra izao, ma­nomboka amin’ny 9 ora alina, no hanatanteraka seho ao amin’ny Lune d’Or (20 Avenue des Courtes Eplu­ches 91100-Villabé) ity mpanakanto manana ny lazany ity. “Beatbox […]

Faran’ny herinandro – Kabary: nandia hetsika maro ny Fi.Mpi.Ma

Na teto an-toerana na tany ivelany, nanatontosa hetsika maro ny Fikambanan’ny mpikabary Malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma), ny faran’ny herinandro teo. Sabotsy 23 septambra, namoahana ny andia Rakotoson Daniel sy fanasalorana lamba ny sampana Fi.Mpi.Ma Ivon’i Gasi­kara any Soavinandriana. Fankalazana sy fandraisana ny fanilo faha-60 taona sy fankalazana ny faha-15 taonan’ ny […]