Mois : septembre 2023

Fifidianana filoham-pirenena : hanohana ny kandidà laharana fahatelo ny CS-ANR

Afaka iray volana eo ho eo, hotanterahina eto Madagasikara ny fifidianana filoham-pirenena. Araka izany, nanatanteraka fivoriana teny Ivandry, ny fikambanana CS-ANR. Vonona ny hanamafy ny fanohanana ny kandidà laharana fahatelo, ny filoha teo aloha Rajoelina Andry Nirina, ny fikambanana CS–ANR. Fanambarana na­tao teo imason’ireo mpikambana tonga teny amin’ny Arena Ivandry, […]

Rugby : nanentana ireo kilonga ambany tanàna ny Tibu Africa

Taorian’ny faritra Atsimo Andrefana, nitohy teto Anta­nanarivo indray ny fanentanana ireo ankizy, ampanaovin’ny Tibu Africa sy ny Terres en mêlées Madagascar eo amin’ny taranja rugby. Notantera­hina teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka izany ny sabotsy lasa teo. Nisitraka izany, ireo kilonga 100 mianadahy eo amin’ny 7 – 15 taona, avy amin’ireo […]

Kitra – D2 National: fantatra avokoa ireo ekipa efatra hanao « Poule des As »

Toy ny efa nampoizin’ny rehetra ihany. Tafita hiatrika ny dingana manaraka ny FC JM Androy, FC Inate Vakinankaratra, KFCA Diana ary ny 3FB Alaotra Mangoro. Nifarana tany Mahajanga sy Antsirabe, omaly 24 septambra ny andro fahadimy, fifaninanam-pirenena « D2 National », taranja baolina kitra. Efa fantatra avokoa ireo ekipa roa voalohany isam-bondrona […]

Basikety-BAL: Ekipa vahiny 3 no ho avy eto Madagasikara

Hotontosaina eto Madagasikara, ny 6 hatramin’ny 8 oktobra ny dingana voalohany amin’ny fifanintsanan’ny Basket ball Africa League “Road to BAL”, ao amin’ny vondrona E misy ny Cospn Madagasikara. Fantatra fa ekipa 3 avy eto amin’ny ranomasimbe indiana no ho avy eto an-toerana hiatrika izany fifaninanana izany. Roa herinandro tsy hanombohan’ny […]