Hatolotra ny fampanoavana ireo olona enina voasambotra noho ny raharaha vonoan’olona tao amina alim-pandihizana tamina famadihana iray tao Antsirabe. Ny 19 septambra alina no nisian’ity fety niaraka tamin’ny ady saritaka ity. Tovolahy iray 27 taona namoy ny ainy raha naratra mafy kosa ny tovolahy iray hafa. Naiditra am-ponja eny Antanimora […]
Mois : septembre 2023
Mpandefa mpiasa any koweït : roa lahy naiditra am-ponja, maka 5 000 000 Ar isan’olona
Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo lehilahy roa saika handefa an-tsokosoko vehivavy dimy hiasa any amin’ny tany Arabo. Teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato no tratra izy roa lahy ireto niaraka tamin’ireo tovovavy saika halefa hihazo ho any amin’ny tany Arabo. Nanatitra ireo vehivavy dimy hiasa an-trano any amin’ny tany Arabo izy […]
Saika hanao pasipaoro : olona fito tratra nampiasa taratasy hosoka
Tohivakana ireo tambajotrana mpisoloky sy mpanao hosoka amin’ny alalan’ny antontan-taratasy hanaovana pasipaoro sy taratasim-panjakana. Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny surveillance du territoire ny lehilahy iray nampiasa karapanondro hosoka. Nilaza ity voarohirohy ity fa hoe hampiasainy amin’ny resaka varotra sy taratasy any amin’ny banky ireo karapanondro hosoka ireo. Vela-pandrika nataon’ny polisy […]
Nandroba 29 tapitrisa Ar : enin-dahy mitam-basy voatifitry ny zandary
Voaroban’ny jiolahy miisa 12 ny volabe 29 tapitrisa, tanaty taksiborosy, omaly. Nisy ny fanarahan-dia, enina tamin’ny olon-dratsy no maty voatifitry ny zandary. Notafihin’ny jiolahy miisa 12 nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ny kamiaobe Taksiborosy «Bilomalaza» tao Andranovory Toliara II, omaly. Lasan’ny mpanafika ny vola mitentina 29 tapitrisa Ar mahery. Taksiborosy mampitohy […]




