Mois : septembre 2023

Lalitra mainty na BSF : azo atao sakafo ho an’ny olombelona sy ny biby fiompy

Mitombo ireo olona misehatra amin’ny fiompiana lalitra mainty raha ny eto Madagasikara. Ny fahitana ireo karazana proteina sy lipida amin’ny tahany ambony no mandrisika azy ireo hanao izany. Efa manomboka fantatry ny olona ny fiompiana bibikely antsoina hoe lalitra mainty. Black solder fly (BSF) ny fiantso azy amin’ny fiteny anglisy. Mouche soldat noir (MSN) […]

FANTINA sy FINTINA

Hanao fanambarana ireo depiote, olobe, fikambanana mpanohana ny kandidà Rajoelina Andry, anio. Hotanterahina eny amin’ny CCI Ivato izany. Tombanana fa anisan’ny hiompanan’ny fanambarana ny ho firosoana amin’ny fifidianana. Eo koa ny mety hitsikerana ireo kandidà 11, sy ireo mpanara-dia azy nanao fanambarana sy ny “Angaredona” tato ho ato. Hanao fihaonambe […]

Antoko Maitso : “Tsy hiverin-dalana isika fa efa miroso amin’ny fifidianana”

Naneho ny heviny ny antoko Maitso hasin’i Madagasi­kara, manoloana ny raharaham-pirenena. “Mampiseho ireo dingana rehetra vita ha­tramin’izao fa tsy hiverin-dalana isika. Efa miroso any amin’ny fifidianana, araka ny daty efa voatondro”, hoy ny filoha nasionaly, Alexandre Georget, tetsy Antaninarenina, omaly. Notanisainy fa anisan’ny efa vita ny fanavaozana ny lisi-pifidianana, ny […]

Saka beloha

  Miova isan’andro ny fivoaran’ny raharaha politika eto Madagasikara. Manaraka ny sitrapon’ny mpilalao sy ireo milaza ho matihanina anatin’izany. Jereo izato fivondronan’ny kandidà. Mivoaka miditra toa lelon-jaza. Ny tena mahasadaikatra dia ny fomba fiadin’izy ireo toa tsy mifanaraka amin’ny tombontsoa andrasan’ny vahoaka. Raha ny angom-baovao natao, misy ny fitiavana te […]

Fiatrehana fifidianana : nikaton-trano tetsy Ambohidahy ireo kandidà sy ny HCC

Tonga namaly ny antso sy ny fanasana nataon’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), omaly maraina, ireo kandidà miisa 10. Tsy nisy nipika ny dinika tamin’izany. Tsy azo natrehin’ny mpanao gazety ary nambenan’ny mpitandro filaminana mafy ny fidirana tetsy amin’ny Lapan’ny HCC Ambo­hidahy nandritra izany. Miisa 10 ireo kandidà […]