Antoko Fiombonana: “Mandringa ny demokrasia fa ampanginina amin’ny basy…”

Tsy niandry ela fa nanao fanambarana avy hatrany ny antoko Fiombonana, manoloana ny tranga niseho, omaly teto an-drenivohitra. “Tena mandringa ny demokrasia satria basy aman-tafondro no ampanginana ireo te haneho hevitra an-kalalahana. Mihatra amin’ny mpanohitra ny ratra sy fisamborana ary fahasimbam-pananana miaraka amin’ ny antsojay”, hoy izy ireo. Nanterin’ny fanambarana fa iaraha-manana ny firenena ary ifarimbonan’ny rehetra ny ady amin’ny fahantrana. Man­dalo kihon-dalana ny fiainam-pirenena ankehitriny ary hany lalan-tokana hizorana amin’ny fampandrosoana ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra, araka ny fanambarana hatrany. “Tsy afaka ny hangina anefa izahay satria zo fototra araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana ny fahalalahana maneho hevitra ary endriky ny demokrasia te­na izy izany. Tsy anavahana ho an’ireo hiantsehatra amin’ ny adihevitra”, hoy ihany izy ireo.

Manoloana izany, nanao antso avo maika ny antoko Fiombonana, indrindra ho an’ny ankolafin-kery rehetra. Ilaina ny fifampidinihana sy ny fitadiavana vahaolana haingana, araka ny fanambarana. “Miantso ireo ray aman-dreny am-panahy hanelanelana ny fifandirana efa vaky bantsilana amin’izao fotoana izao”, hoy izy ireo. Niantso ny vahoaka koa ho tony sy hitandro mandrakariva ny fihavanana.

Synèse R.

Partager sur: