Fikambanana Sinoa eto Antananarivo : maneho ny safidiny amin’ny fifidianana

Mahatratra 1 000 mahery ireo sinoa mivondrona anatin’ ny fikambanana Sinoa eto Antananarivo, raha ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana, Sam James, tetsy Antsa­kaviro, omaly. Mizaka ny zompirenena malagasy avokoa ny ankamaron’izy ireo satria teraka teto Madagasikara. «Efa nanomboka ny taona 1940 no teto ny ray aman-dreninay», hoy ity filohan’ny fikambanana ity. Manan-jo hanatanteraka an-kalalahana ny safidiny amin’ny alalan’ny fifidianana filoham-pirenena, araka izany, ny ankamaroan’izy ireo noho ny fizakany zom-pirenena mala­gasy. Namafisiny, efa Mala­gasy tanteraka izy ireo. An­koatr’io, mampiroborobo ny toekarena eto an-toerana noho ny fandraisany anjara mivantana ihany koa izy ireo. “Mpivarotra ny ankamaroan’ ny ray aman-dreninay tonga teto Madagasikara tamin’ny taona 1950 tany ho any”, raha ny nambaran’i Sam James. Efa mivelatra amin’ny sehatra maro toy ny lafiny teknolojia kosa ireo sinoa anaty fikambanana ireo amin’izao fotoana. Notsindrin’ity farany nandritra ny fankalazana ny faha-74 ny fahaleovantenan’ny Re­poblika entim-bahoaka an’i Sina, omaly, fa mitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta hanamafisana ny fam­pandrosoana.

Tsiferana R.

Partager sur: