Prefet Antananarivo : “Aoka isika ho tony sy ho mailo amin’ireo mpanakorontana”

Nanambara mialoha ny herinandro teo ny perefet an’Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo ny amin’ny tokony hitonian’ny rehetra. Niantsoany fahamailoana koa izany.

“Aoka isika ho tony sy ho mailo tsara amin’ ireo mpanakorontana”, hoy ny prefet, Anta­na­narivo, ny jeneraly Ra­velo­narivo Angelo, teny Tsim­ba­zaza, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny fiatrehana ny hetsika fitaomana olona hidina an-dalambe eny amin’ ny kianja 13 mai, Anala­kely, nokasain’ny vondrona kandidà natao omaly. Isaky ny misy tsy fitovian-kevitra politika, ny eto Antananarivo hatrany no ampisehoana ny tsy fankasitrahana politika. Misy sehatra tokony hifampiresahan’ireo mpanao politika ireo, fa tsy ny fiainan’ny olom-pirenena an­davanandro no korontanina lava isaky ny misy tsy fitovian-kevitra politika.

Miaro ny vahoaka sy ny fananany…

Manan-jo hivezivezy ny olom-pirenena, manan-jo ndeha hiasa, manan-jo hivarotra… Tsy tokony hohelingelenina izay zo fototra izay. “Manentana antsika mba tsy ho azon’ny vela-pandrik’ireo mpanao politika, fa tokony hitohy hatrany ny fiainantsika andavanandro”, hoy izy. Miangavy ny vahoaka eto Antananarivo izy mba ho sarotiny amin’ny fiarovana an’izay fahafahana izay, in­drindra amin’ny fiarovana an’ ireo fotodrafitrasa. Tompon’ antoka tanteraka ireo izay mampirisika ny olona hidina an-dalambe hanakorontana. Tsy maintsy misy ny fandraisana andraikitra. Tsy mpanao ramatahora ny mpitandro filaminana, fa miaro ny vahoaka sy ny fananany. Tsy maintsy misy ny fandraisana fepetra.

R. Nd.

Partager sur: