Savorovoro teto an-drenivohitra : Enina naratra, roa voasambotra

Nirefotra ny grenady mandatsa-dranomaso sy mankarenin-tsofina, omaly, teny Ambohidahy. Nisy ny naratra sy voasambotra. Nifandramatra koa ny samy sivily.

Niafara tamin’ny fanapoahana grenady mandatsa-dranomaso sy fi­fa­nenjehana ny hetsika nataon’ ny Vondron’ny kandidà 11, omaly. “Tafiditra tao anatin’ny fidinana an-dalambe nampiasa fitaovam-piadiana ny he­tsika nataon’ireo kandidà 11 omaly satria nahitana olona nitondra basy ny olona niaraka tamin’izy ireo”, hoy ny kolonely Raoilijaona Tojo. Noha­mafisiny fa tsy maintsy nandray ny fepetra nifandraika tamin’izany ny mpitandro filaminana ho fitandroana ny filaminam-bahoaka. “Nahazo baiko avy amin’ny manam-pahefana mahefa izy ireo, araka izany, mba handami­nana ny tanàna ka tsy maintsy nandray fepetra”, hoy hatrany ny kolonely Raoilijaona Tojo.
Vokany, telo naratra avy amin’ny mpanao fihetsiketsehana: ny kandidà Raobelina Andry sy Rakotovao Rivo, filoha nasionalin’ny antoko Hery vaovaon’i Madagasikara (HVM) ary Rakotondrainibe Ndriana, senatera voafidy teto Anta­na­narivo. Voalaza fa nisy vehivavy sivily iray ihany koa naratra. Nentina notsaboina tetsy amin’ny hopitaly HJRA avokoa izy ireo. Ankoatra azy ireo, nisy ny zandary mirahalahy naratra, notsaboina teny amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana. Tsy nisy ny aina nafoy.

Nifamaly ny mpivarotra sy ny mpitolona

Noezahan’ireo mpitandro filaminana nalamina avokoa ny savorovoro nitranga teny Analakely, omaly. Anisan’ireo tsy nankasitraka ny hisian’ny tolona teny amin’ny kianjan’ny 13 mai Analakely, ny mpivarotra eny an-toerana. Niezaka nanentana azy ireo ny mpitolona momba ny kandidà 11 saingy tsy nanaiky izy ireo. Raikitra ny fifamaliana sy ny fifanazavana. “Tsy mila korontana ary leo ny ady politika izahay, avelao hitady vola ny vahoaka”, hoy ireo mpivarotra teny an-toerana. Etsy ankilany, namaly izany teny izany ireo mpanara-dia ny kandidà 11: “efa miezaka ny miaro ny zon’ny Malagasy rehetra izahay, ny ho avy sy ny ampitson’ ireo tanora amin’izao fotoana no tsinjovina.”

Voasambotra

Voasambotra nandritra ny hetsika teny Andohan’Anala­kely ny sekretera jeneralin’ny antoko Tim, Randriamasinoro Rina, omaly. Voatazona eny amin’ny biraon’ny sampam-pikarohan’ny zandarimaria eny Fiadanana izy mandrak’ alina. Tonga nanao rodobe teny an-toerana ny mpiara-mitolona aminy.
Nisy mpitandro filaminana iray, nosamborina teny Ambo­hijatovo koa, nandritra ny fifanjevoana. Mpiambina ma­nokana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc izy. Nahatrarana basy efa voafahana teny aminy.
Mbola hitohy anio ny he­tsika ataon’ireto kandidà, ma­nohitra ny fifidianana ireto.

????????????????????????????????????

Tsy maneho hevitra ny fanjakana

Manoloana ny zava-nisy omaly, nanao ranolava ny fanam­barana avy amin’ny mpitarika ny hetsik’ireo kandidà 11 mirahalahy. Marihina fa tsy tonga teny an-toerana ny solombavambahoaka Randrianasoloniaiko Siteny sy Razafitsian­draofa Jean Brunelle. Manamafy izy ireo fa hitohy ny tolona.
Etsy ankilan’izany, mangina tsy andrenesam-peo ny eo anivon’ny fitondram-panjakana. Misafidy ny tsy hiresaka tamin’ny mpanao gazety ireo tomponandraikitra nantsoina an-telefaonina. “Manamafy ny hisian’ny fifidianana izahay. Izay ihany no feon’ny vahoaka izay tompom-pahefana.”, hoy ny loharanom-baovao iray. Mazava ny fitsipi-dalao ho an-dry zareo anivon’ny Opération mixte de concéption na ny OMC: tsy maintsy sakanana ny hetsika tsy nahazoana alalana.
Ny kandidà laharana faha-11 anaty biletà tokana, Rade­ranirina Sendrison Daniela, dia tsy hita taratra tanteraka mano­loana ny raharaham-pirenena. Tsy misy ny serasera ataony kanefa anisan’ny nandoa ilay volabe 200 tapitrisa Ar ho antoka. Sady tsy an’ny atsy no tsy an’ny aroa izy.
Manohy ny fanentanana sy ny fanomanana ny fampielezan-kevitra ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry, sy ny mpanohana azy. Ankoatra ny vovonana Armada sy ny Upar, fantatra fa hisy anio ny hetsika iray lehibe hataon’ny mpanohana azy eny Arena Ivandry.

Nanatontosa : Ny fanoratana
Sary : Fano

Partager sur: