Nivoaka amin’ny fanginany ny antoko Harena, tarihin’i Lezava Fleurys. Nambarany fa tokony samy hampandefitra ny hambompony manoloana izao toe-draharaha izao. “Aoka isika hametraka hatrany ilay fihavanana ka hitandro ny fiandrianam-pirenena… Tsy midika ho faharesena na fahalemena akory ny fifampiresahana”, hoy izy, omaly. Niaiky ny Harena fa betsaka ny tsy fahatomombanana amin’ ny fanomanana ny fifidianana ka tonga amin’izao savorovoro izao. Niantsoan’izy ireo ny rehetra mba hitsinjo ny tombontsoan’ny vahoaka ka hifanatona hikaroka vahaolana haingana ialana amin’ izao disadisa izao, araka ny fanambarana. Nampirisika ireo raiamandreny am-panahy ny Harena hanohy ny ezaka, ho fikatsahana filaminana sy fitoniana. “Sarobidy ny fihavanana sy firaisan-kina ka tsy tokony hatao sorona noho ny fitiavan-tseza”, hoy izy ireo.
Nanao antso avo amin’ny Foloalindahy
Niantso ny Foloalindahy ny Harena mba ho aroriaka farany ka hitandro ny firaisam-pirenena, tsy hampisara-bazana ary hiaro ny tombontsoan’ny firenena. “Tsy tokony hiandany fa hiaro ny vahoaka sy ny filaminana hatrany”, hoy ny Harena.
Nanterin’izy ireo fa ny hevitra no tsy mitovy fa tsy ny olona. Tan-dalàna isika ka aoka hajaina sy tandrovina ary hampiharina araka ny tokony ho izy ny lalàna velona mifehy antsika. “Tsy misy na iray aza hihevitra ny tenany ho ambonin’ny lalàna”, hoy ny Harena.
Synèse R.




