Misesisesy ny lozam-pifamoivoizana tato ho ato. Afakomaly sy omaly, telo ny voina niseho teto Antananarivo sy ny manodidina. Olona roa no namoy ny ainy ary am-polony naratra.
Vehivavy iray 27 taona, maty tsy tra-drano niharan’ny lozam-pifamoivoizana tetsy By-Pass, ny alin’ ny alarobia hifoha omaly alakamisy. Nitondra moto marika RS izy tamin’io fotoana io. Nandeha mafy ary nifatratra tamin’ny fiarabe iray nifanena taminy. Noho ny hamafin’ny fifandonana, maty tsy tra-drano ity tovovavy ity. Avy niasa, handeha hamonjy fodiana eny Anosipatrana izy izao niharan-doza izao. Tonga teny amin’ ny toerana nitrangan’ny loza ny polisim-pirenena misahana ny lozam-pifamoivoizana. Taorian’ny fanadihadiana, naterina teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha ny razana. Ankoatra izay, moto miisa telo, niampy fiara iray, no nifandona tetsy Andohatapenaka, omaly atoandro, tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any. Noho ny hamafin’ny fifandonana, niparitaka sy potika ireo kodiaran-droa. Nifatratra tao ambanina fiara ny lehilahy iray nitondra kodiaran-droa. Nifarimbona nibata azy ireo ny olona teny amin’ny manodidina. Nentina nihazo ny hopitaly Manara-penitra avokoa ireo naratra taorian’izay. Ankoatra izay, fiara mpitatitra iray hafa nifandona sy nifatratra tamin’ ny kamiaobe teny amin’ny lalam-pirenena vaolohany iny, ny alarobia 26 aogositra 2026, tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Nitranga teo anelanelan’Antanambao sy Ambohipeno, kaominina ambanivohitra Ambatolampy, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny loza.
Hihazo an’Antananarivo ilay fiara no niharan-doza. Nandeha mafy izy ary nifatratra tamin’ny fiara kamiao miisa roa nifanena taminy. Tombanana ho ny hafaingam-pandeha mafy loatra no nahatonga ity fiara mpitatitra ity tsy nahatana ny familiana ka niteraka ny loza. Vokany, olona iray namoy ny ainy, 14 hafa kosa naratra.
Olona telo naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana, omaly, ny raharaha mahakasika ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana renim-pianakaviana iray 33 taona, teny Ankazobe, ny talata 23 aogositra teo. Voarohorihy sy notanana nanaovana fanadihadiana ny mpamilin’ny fiara izay nitarika tamin’ny loza sy ny olona roa hafa. Taorian’ny fihainoan’ny mpitsara mpanao famotorana azy ireo, naiditra vonjimaika am-ponja avokoa izy rehetra ireo. Famonoana sy fandratrana olona tsy nahy ny vesatra anenjehina ilay mpamily, raha ny fanazavan’ ny tonia mpampanoa lalàna ao Ankazobe. Firaisana tsikombakomba tamin’ny alalan’ny fanamorana fanatanterahana heloka no vesatra anenjehana ireo olona roa hafa voarohirohy.
Tsiahivina fa olona efatra mianaka no voadona sy voahitsaky ny fiarabe iray teny akaikin’ny CSB Ankazobe, ny talata 25 aogositra lasa teo. Maty tsy tra-drano, nandritra izany, ny renim-pianakaviana iray 33 taona. Naratra kosa ny zanany mirahavavy, 5 sy 4 taona, tao amin’ilay toeram-pivarotana.
Mino




