Niditra amin’ny andiany fahefatra ny fikaonandoha nokarakarain’ny Ceni hiatrehana ny fifidianana. Tsy nipoitra ny avy amin’ireo kandidà 11…
“Ny hany takinay: mba hatao ao anatin’ny fifanajana sy lavitry ny fihantsiana sy fifandranitana ny fanehoan-kevitra, ary atao ao anatin’ny fanajana ny lalàmpanorenana sy ny lalàna ary ny fifanarahana iraisam-pirenena nankatoavina”. Io
ny tenin’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, omaly, tamin’ny fifampidinihana fahefatra amin’ ireo mpisehatra politika, firaisamonina sivily… Ny avy amin’ ny kandidà lah. 3 sy lah. 11 ihany no tonga nanatrika ny fihaonana.
Mpifaninana fa tsy mpifandrafy na mpifahavalo ireo kandidà 13, samy Malagasy ka aoka ny kabary fifankahalana sy fifampihantsiana. Mba fampahafantarana ny fandaharanasan’ izy ireo no handresen-dahatra ny vahoaka. Samy manana olona manohana izy ireo. Aoka sahy hahay hifehy ny mpanohana azy avy, hitandro hatrany ny filaminana mialoha sy mandritra ny fampielezan-kevitra.
Tanjona ny zotram-pifidianana milamina mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Atao ao anatin’ny fangaraharana sy fampandraisana anjaran’ny rehetra izany. Aoka ny vokatry ny fifidianana amin’ ny 9 novambra no handrefesana ny tanjaka politik’ireo kandidà. “Andao isika hijery ny tombontsoa ambonin’ny firenena, hampandefitra ny paikady politika ka hanome lanja ny maha masi-mandidy sy maha andriamanjaka ny vahoaka”, hoy izy. Hamerina any amin’ny vahoaka ny fahefana feno izany, hahazoany misafidy an-kalalahana ny olona hitondra azy.
R. Nd.




