Praiminisitra Ntsay Christian : « Fifidianana ihany ny fahazoana fahefana… »

Hentitra ary tamin’ny feo avo ny lahatenin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, afakomaly, teny Ampahitrosy, Atsimondrano. Anisan’ny notsikerainy ireo mpanao politika sasany…

“Tsy misy krizy politika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Mazava ny lalana izorantsika: amin’ny alalan’ny fifidianana ihany ny fahazoana fahefana hitondra ny firenena mandritra ny dimy taona”. Io ny kabarin’ny filoham-panjakana mpisolo toerana sady lehiben’ny governemanta ifarimbonana, tamin’ny fametrahana ny vato fototra tohodrano teny Ampahitrosy, Antanana­rivo Atsimondrano. Nanteriny fa firenena iaraha-manana ity ary tsy misy tompony, fa ny vahoaka tompon’ny fahefana irery ihany no afa-mametraka ny hoe: iza no tokony hitondra ny tany sy ny fanjakana?

Ny Ceni irery no afa-manetsika ny fampiantsoana mpanao politika hifampidinika. Ankoatra an’izay, tsy misy afa-kametraka an’izany eto amin’ ny tany sy ny fanjakana raha arahina ny lalàna. Koa tsy ilaina ny fanelanelanana mirazotra. Tsy hanaiky an’izany ny fitondram-panjakana ary tsy hanatrika sy tsy hanome tosika an’izany. Ny Ceni ihany no eken’ny fitondram-panjakana. Izay no manara-dalàna ary tokony hoeken’ny rehetra koa.
Avelao ny vahoaka hisafidy
Notsiahiviny fa dimy taona ny fe-potoam-piasan’ny filo­han’ny Repoblika. Ho tapitra amin’ny 19 janoary 2024 izany. Apetraka eo an-tanan’ ny vahoaka amin’ny 9 novambra ny hisafidy izay ho filohan’ny Repoblika hitondra mandritra ny dimy taona manaraka, araka ny tetiandro efa voafaritra.
“Reseo lahatra ny vahoaka, teneno ny tsy mety eto amin’ny tany sy ny fanjakana, omeo ny vinan’ny kandidà tsirairay hitondrana ny firenena rehefa tonga filohan’ny Re­pob­lika izy”, hoy ny hafany ho an’ireo kandidà. Rehefa avy eo, avelao ny vahoaka hisafidy izay hitantana ny firenena.

R. Nd.

Partager sur: