Nanamafy indray ny antso efa nataony ny eo anivon’ny FFKM, ny sabotsy teo, taorian’ ny fampihaonana ny solontenan’ireo kandidà tetsy Ampandrana. Nambaran’ireo filoham-piangonana fa anisan’ny antoka ahatomombana hatramin’ny farany ny dinika ikaroham-bahaolana ny hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena ka nanamafy ny antso efa nataony izy ireo. “Aoka hohajaina ny zo maha olona. Atsaharo tsy misy hatak’andro ny fampiasan-kery sy ny fifandranitana amin’ny endriny rehetra”, hoy izy ireo. Nanentana ny kristianina rehetra koa ny FFKM mba hanokanany dimy minitra hitrotroana am-bavaka ny firenena. Hiderana sy hanandratana an’Andriamanitra ary koa hifonana aminy ho an’ny firenena, araka ny fanambarana hatrany. “Mba anjakan’ny fiadanana eto anivontsika”, hoy ihany izy ireo.
Natsidiky ny FFKM fa hitohy anio ny dinika sy ny fampihaonan’izy ireo ny solontenan’ny kandidà. Samy naneho fahavononana ho amin’izany avokoa izy ireo na nisy aza ny nisintaka tamin’ny fihaonana ho fiombonana sy firaisam-po noho ny zava-niseho teny an-kianja ny andron’ny sabotsy teo iny.
Samy nahatonga solontena avokoa ireo kandidà 13, hiatrika ny fifidianana filoham-pirenena, tamin’izao fihaonana izao.
Araka izany, andrasana indray ny ho tohin’ny fikaroham-bahaolana hotarihin’ireo filoham-piangonana.
Synèse R.




