Kandidà Andry Rajoelina : “Tsy avelantsika ho rendrika i Madagasikara”

Nanao fanambarana, omaly, ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Hentitra ny nambarany. « Tsy mila korontana sy fanapotehana ny Malagasy », hoy izy. Nohitsiny ny finiavan’ ny kandidà sasany hampisaraka sy hampizarazara. Efa nomena toerana malalaka anehoana hevitra nefa nikiry nidina an-dalambe sy nisisika hanembantsembana ny fihariana sy fiveloman’ny maro anisa. « Nanakorontana ny tanàna sy hanakorontana ny firenena ary nanao izany ta­naty fandikan-dalàna », hoy ihany izy. Nanteriny fa endrika, sary ratsy ho an’ny firenena izany, efa nitondra teo aloha nefa hitarika olona hanakorontana. Fihetsika tena mamoa­fady sady fampizarana ny samy Malagasy. Efa mazava ny tian’izy ireo hahatonga­vana, araka ny nambarany hatrany. Notsiahiviny fa tsy tokony hanohintohina ny fiainan’ny hafa sy ny fahalalahan’ ny hafa ny demokrasia ary tsy tokony hanembantsembana koa. Tsy tokony hanaovana herisetra ny fanehoana hevitra, araka ny nambarany hatrany. « Fanohintohinana ny fanjakana mijoro sy fandikana ny Lalàm­panorenana izany », hoy izy.
Natsidiny fa efa miroso amin’ny fifidianana isika izao, hany hanehoan’ny vahoaka andriamanjaka ny safidiny. Hanomboka rahampitso ny fampielezan-kevitra ka aoka ny rehetra ho tony.

Synèse

Partager sur: