“Baikon’ny prefet no tanterahanay mba ho fanajana ny lalàna”, hoy ny avy amin’ny Emmo/Nat. “Tsy manaiky famoretana izahay”, hoy kosa ny kandidà 11. Mitohy kosa ny fanelanelanana ataon’ny FFKM.
Nitorajofo ny entona manempotra teny Ankazomanga sy Antanimena, afakomaly. Dimy ireo voasambotra ary enina naratra: ny kandidà laharana fahadimy, Ravalomanana Marc sy mpanao gazety roa, miampy depiote sy olon-tsotra iray. Nisy fiara 4×4 iray nogiazana koa, voalaza fa nitondra fanamafisam-peo. Nanamafy ny eo anivon’ny mpitandro filaminana, nihaona tamin’ny mpanao gazety, teny amin’ny Toby Ratsimandrava, fotoana fohy talohan’ny nanaparitahana ny mpanao fihetsiketsehana fa tsy nahazo alalana ho ao amin’ ny Kianjan’ny 13 mai ny Vondron’ny kandidà. “Tsy maintsy mampihatra ny lalàna sy manatanteraka ny baikon’ny prefet Antananarivo izahay”, hoy ny Jly Andriamasimanana William, lehiben’ny Etamazaoro lefitra, amin’ny Tafika.
Tsy niverin-dalana
Tsy nanaiky lembenana kosa ny Vondron’ny kandidà 11 sy ny mpanara-dia azy. Nifamotoana vao maraina tamin’ ny faritra maro manodidina an’Analakely mialoha ny fifamotoana teny Ankazomanga. Tsy nanaiky ny ho eny Antsonjombe izy ireo satria efa amin’ ny 10 ora alin’ny zoma vao mamoaka filazana ny prefektioran’Antananarivo. “Tsy fanajana sy fanaovana tsinontsinona anay izany”, hoy ny kandidà Ratsiraka Rolland.
Mandritra izany, miala nenina hatrany ny FFKM. Nisy ny fihaonana tamin’ny solontenan’izy 13, kandidà ho filoham-pirenena, natao teny Ampandrana. Nitarika ny avy amin’ny kandidà laharana fahatelo, ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo, Andriantsitohaina Naina sy Andriamananoro Augustin.
Randria




