Sonose/Mada: “Takinay ny hijerena ny zo aman-kasin’ny mpanabe”

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Solidarité des normaliens en sciences de l’éducation de Madagascar – Sonose/Mada, tamin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny mpampianatra sy ny mpanabe. Hentitra ny fitakian’izy ireo.

Tsy tokony hijanona ho fankalazana fotsiny ihany izany fa hanao­vana jery todika ny dingana vita sy ny mbola hatao amin’ ny fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fanabeazana. “Tsy ho tanteraka izany raha tsy jerena akaiky ny zo aman-kasina tokony hositrahantsika araka ireny fitakiantsika ireny”, hoy izy ireo. Notsiahivin’izy ireo amin’izany ny tsy mbola nahazoan’ny sasany ny “Con­trat de travail” eo an-tanany noho ny antony “Anomalies” na “Doléances”. Takin’izy ireo ny hanafainganana sy ny fikarakarana izany. Nangatahana koa ny hampitomboana ny “Quota” ho an’ireo nivoaka avy amin’ny ENS amin’ny “Postes budgétaires”, mana­raka amin’ny andiany fahafolo, manoloana ireo vao nahavita ny fianarany teny amin’ny ENS.
Etsy andaniny, niaiky izy ireo fa efa nivaha amin’ny ampahany ny momba ny “Inté­gration” niato an-taonany maro. Na izany aza, notakin’ny Sonose/Mada ny hamahana ny olan’ny “Nomination sur titre” ho an’ireo nivoaka tao amin’ny ENS tamin’ny diplaoma Mapen sy Master. “Manana zo hisitraka izany araka ny lalàna izy ireo”, hoy ihany ny fanambarana.
Nankaherezin’izy ireo ny namana miasa any amin’ny “Dezaka”, miaritra ny mafy. Eo ny halaviran-dalana sy ny tsy fandriampahalemana. Nota­kin’izy ireo ny hijeren’ny fitondram-panjakana azy ireny manokana.
Tsiahivina fa lohahevitry ny fankalazana ny hoe “Ireo mpampianatra sy mpanabe ilaintsika ho amin’ny fanabeazana irintsika dia izay takin’ny maneran-tany hiatrehana ny tsy fahampian’ny mpampianatra”.

Synèse R.

Partager sur: