Nandray ireo Vondron’ny kandidà 11 tetsy Ankorondrano, omaly, ny masoivohon’i Afrika Atsimo, Sisa Ngombane, sady solontenan’ny Sadc eto amintsika. Niantso fitoniana ny tenany tamin’izao fihaonana izao, manoloana ny hetsika eto an-drenivohitra efa ho herinandro izao. Nambarany koa fa ho avy eto mialoha ny fifidianana ny eo anivon’ny Sadc ka hametraka iraka mpanara-maso ny fifidianana. Nampahafantarina koa ny votoatin’ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ny komitin’ny telo tonta ao amin’ny “Troika MCO” eo anivon’ny Sadc, natao ny 26 septambra teo. Nanambara kosa ireo kandidà avy eo, tetsy Antaninarenina, fa mitohy ny hetsika hampangarahara ny fifidianana, na efa hiditra amin’ny fampielezan-kevitra, tsy manara-dalàna aza anio. “Vonona hijoro hatramin’ ny farany izahay”, hoy izy ireo manoloana ny fanamparam-pahefana sy fampihorohoroana ataon’ny mpitandro ny filaminana.
Fihaonan’ireo masoivoho tamin’ny kandidà Rajoelina
Etsy andaniny, nandray ireo masoivoho vahiny sasany kosa ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina, teny Ivandry, omaly io ihany. Tsy nisy nipika ny dinika teo amin’izy ireo. Na izany aza, tombanana fa ny zotram-pifidianana hirosoana amin’izao fotoana izao no votoatin’izany. Anisan’ny teny an-toerana ny solontenan’ny Vondrona eoropeanina (UE), i Isabelle Delattre, ny solontenan’ny Sadc sady masoivohon’i Afrika Atsimo, i Sisa Ngombane, ary koa ny masoivohon’i Frantsa, i Arnaud Guillois…
Synèse R.




