Fandalovan’ny mpizahatany fotsiny Antananarivo hatramin’izay. Saika ireo tamba-dia mihazo ny morontsiraka, mandalo ireo valanjava-boahary natoraly hatrany no amidy ho an’ireo mpizahatany. Ambinambina fotoana sisa matoa mitsidika ireo harembakoka na mozea, sns, eto Antananarivo ireo vahiny.
Mba hialana amin’izay indrindra no namolavolan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, miaraka amin’ireo matihanina amin’ny sehatry ny fizahantany ny « Kol’Tour ». Tetikasa iray, nanamboarana tamba-dia mitety ireo toerana manan-tantara tokony hotsidihin’ny mpizahatany mandalo eto Antananarivo izy ity. Nisy ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy, izay nontontosaina omaly, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely.
Hisy karazany toa ny tamba-dia ka ny voalohany hotontosaina isaky ny sabotsy. Miainga any amin’ny Rovan’Ambohimanga, mandalo ny Rovan’Ilafy ary mifarana eny amin’ny Rovan’i Madagasikara (miaraka amin’ny fampisehoana ao amin’ny Kianja masoandro) izany. Ny faharoa kosa izay hotontosaina ny alahady, miainga ao amin’ny Mozea Rainilaiarivony Amboditsiry, mandalo ny fampirantiana ao amin’ny Ivokolo Analakely (hosodoko, sokitra, sns), ny Trano Sary Ambohidahy (tahirin-tsary rakitry ny ela), ny Havoria (mozean’ny haino aman-jery) ao Anosy ary ny kianjan’ny Hiragasy etsy Ampefiloha.
Zo ny Aina




