Mitondra ny lohany

Mandeha ny fifidianana ! Izay aloha ny zotra arahin’ny raharaha politika eto amin’ny firenena. Misokatra amin’ny fomba ofisialy anio rahateo ny fampielezan-kevitra manerana ny Nosy. Manamafy ny mikasika izay rahateo ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Miezaka ny mitady fitoniana sy filaminana ary fanehoan-kevitra malalaka ny masoivoho vahiny. Efa miomankomana ny hery velona rehetra.
Ny mpikarakara fifidianana, mametraka tsikelikely ireo toerana fametahana ny afisy ho an’ny kandidà 13 mira­halahy. Ny karapifidianana efa voazara tsikelikely. Tsy mbola nisy na nandrenesam-peo hoe namerina na nitsipaka izany ny olom-pirenena nahazo ny anjarany. Marina fa misy ny lesoka sy ny fahadisoana kanefa tsy manakana ny firosoana amin’ny fifidianana izany.
Hita taratra ihany koa ny fisian’ny antoko vitsivitsy, manokatra tsikelikely ny foiben’ny fampielezan-kevitra. Efa tsikaritra ny mpikambana anatin’ny vondron’ny kandidà 11 sasantsasany, mametraka ireo rantsamangaikany any amin’ny faritra. Tsy mahagaga moa satria ny omby indray mandry tsy indray mifoha. Tsy maintsy misy foana ny maningana amin’ny vanim-potoana tahaka izao.
Na izany na tsy izany, mila mailo sy malina ny sa­rambabem-bahoaka. Mivadika ny fizotry ny tantara. Manom­boka mandray an-tanana ny raharaha ny vahoaka madinika. Niaraha-nahita sy nahare ny fitadiavan’ny vahoakan’Itaosy «  action », omaly, nandritra ny hetsiky ny kandidà 11.
Nanapa-kevitra ny hidina an-dalambe ihany koa ny ankilany, ireo mitaky fifidianana. Nisy ny hetsika natao tamin’ny toerana maromaro teto an-drenivohitra. Samy miaro ny sotro fihinanany. Tsy manaiky ny fanakorontanana, manohintohina ny fitadiavam-bolany.
Samy mitondra ny lohany ny mponin’Antananarivo. Miandry izay havoakan’ny ampitso isika mianakavy !

r.r

Partager sur: