Kandidà Andry Rajoelina : « Tsy maintsy mandresy isika !  »

Tsy miandriandry, nanokatra ny fampielezan-keviny avy hatrany ny kandià laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Nam­barany fa tsy misy hahasaka ny fifidianana ary tsy maintsy ho mpandresy izy. “Tsy mbola nisy naharesy ahy tamin’ny fifidianana izany”, hoy izy. Natombony, niaraka tamin’ny mpanaradia azy tamin’ny alalan’ny fotoam-bavaka teny amin’ny Ten­drom­bohitr’i Mahatazana Aka­masoa ny fotoana, omaly.
Tsy mankasitraka ny sa­kantsakana, manohintohina ny fifidianana izy. Nohama­fisiny fa mpananga i Andry Rajoelina fa tsy mpandrava. “Tsy maintsy tohizana ny asa natomboka. Hapetraka eo am-pelatanan’Andriamanitra iza­ny. « Hiaraka hamakivaky lalan-davitra sy fanamby maro isika. Ho fenointsika volomboasary i Madagasikara », hoy izy. “Tsy maintsy atao ny fomba rehetra hanavotana ny firenena sy ny vahoaka malagasy rehefa mbola nomen’Andriamanitra fahasalamana sy hery ary tanjaka”, hoy ihany izy.
Nanamafy ny kandida laharana fahatelo, fa fotoana hanehoana ny firaisankina izao, ka ahitana ny tena na­mana. Manao antso avo amin’ny mpanohana azy izy mba hifanentana sy hifandresy lahatra amin’ny manodidina.
Ankoatra ny vavaka, nihazo an’Antsiranana ny kandidà Andry Rajoelina, nombam-bady aman-janaka. Nandray azy ireo tao amin’ny kianja manaram-penitra ny vahoaka analinkisa. Nisy ny fitanisana ny zava-bita sy fifampizarana ny drafitrasa amin’ny fotoam-pitodrana manaraka. “Tsy maintsy vitaina izay efa natomboka”, hoy izy.
Efa natomboka, omaly ny fizarana ireo fitaovana hoenti-miatrika ny fampielezan-kevitra eny ifotony. Samy nahitana hetsiky ny mpanohana azy avokoa ny renivohi-paritra sy ny distrika manerana ny Nosy. Miara-dalana aminy ny solontenan’ny vovonana miaradia aminy.

Synèse R.

Partager sur: