Nanao antso avo ho an’ny vahoaka ny antoko Fiombonana. “Aoka mba ho tony sy hitandrina amin’ireo fihantsiana sy fanakorontanana maro samihafa”, hoy izy ireo. Notsindrin’izy ireo koa fa miara-dia amin’ireo Vondron’ny kandidà 11 ny Fiombonana ary anisan’ny mitaky ny fampitsaharana tsy misy fepetra ny fanaovana herisetra sy ny famonoana ny mpiray tanindrazana. Ilaina koa ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra sy ny fahazoana miteny. Soso-kevitra entin’izy ireo ny fitakiana handravana ny governemanta ary ny fametrahana rafitra vaovao. Eo koa ny fandravana ny Ceni sy ny HCC, ka hapetraka ny fitsarana manokana hisahana ny fifidianana (CES). Notakin’ny Fiombonana ny hanemorana ny fifidianana, ahafahana manitsy ireo lesoka rehetra. “Mba hahafahantsika miroso amin’n’ny fifidianana madio, mangarahara ary eken’ny rehetra”, hoy ihany izy ireo.
Etsy andaniny, mangataka hatrany ny FFKM sy ireo hery velona ny antoko Fiombonana hanohy ny fifampidinihana ahitana vahaolana sy hipetrahan’ny fitoniana. Tahaka izany koa ny mpitandro filaminana. “Hijoro ho tandroka aron’ny vozona ka tsy hiandany fa hiaro mandrakariva ny fiandrianam-pirenena sy ny fihavanana”, hoy izy ireo. Takin’ny Fiombonana koa ny hanajana toy ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana, fototry ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna.
Synèse R.




