Nitohy omaly, teny amin’ny oniversite Ankatso sy teny Andohatapenaka, ny «Festival International Madajazzcar» andiany faha-34. Samy nanana ny hanitra ho azy ny Jazz tamin’ireo toerana ireo. Tanjon’ny hetsika ny hampivelatra ity karazana mozika ity ho an’ny rehetra. Eo ihany koa ny fanomezana sehatra ireo mpiangaly ity mozika ity vao misandratra, ary farany ny fampiraisana ny mpanao io gadona io.
Toerana maro no nahitana fampisehoana ho an’ny andron’ny omaly. Samy nankafy sy afa-po ireo mpankafy sy ny mpandray anjara tamin’ireny toerana ireny. Ho an’ny teny amin’ny oniversite Ankatso, zary lasa fanao isan-taona ny “Jazz à l’Université”. Vondrona sy mpiangaly Jazz matihanina miisa 9 no niandraikitra ny fanafanana ny sehatra. Anisan’izany ry Lilian Raoelison Trio, Manjaka Rakoto David, Bandy telo, Brother’s Sound… Raha tsiahivina, sehatra nisokatra ho an’ny rehetra ny teny an-toerana. Raha ho an’ny “Jazz Mobile” niarahana tamin’ny Aft Andavamamba, natao teny Andohatapenaka kosa, ny Af Jazz, vondrona miangaly ity karazana mozika ity, eo anivon’ny Aft, no naneho ny talentany sy ny fahaiza-manaony.
Hitohy amin’ny fampisehoana eny amin’ny CGM Analakely, sy atrikasa eny amin’ny Fara West Faravohitra ny hetsika, amin’ity anio ity.
Lin




